Ny fisaraham-panambadiana

Laharana 2382 amin’ny Katesizy

Nantitranterin’i Jesoa Tompo ny sitrapon’ny Mpahary hatrany am-piandohana izay nanao ny fanambadiana ho tsy azo ravana[52]. Nofoanany ny famelana hanao izany izay nisisika tao amin’ny Lalàna taloha[53].

Eo amin’ny samy vita Batemy, “ny fanambadiana vita sy efa nisy firaisana ara-nofo dia tsy azo ravana amin’ny alalan’ny fahefan’olombelona na dia iray aza  na inona na inona antony, afa-tsy ny fahafatesana”[54].

Loharano ôfisialy ↗