IV. Ny fahotana amin’ny hasin’ny fanambadiana
Laharana 2380 amin’ny Katesizy
Ny fanitsakitsaham-bady. Enti-milaza ny famitahana eo amin’ny fanambadiana io teny io. Rahefa olon-droa miaraka, na ny anankiray ihany aza no manam-bady, ka manao firaisana ara-nofo izy ireo, na indray mandeha ihany aza, dia manitsakitsa-bady izy ireo. Manameloka ny fanitsakitsaham-bady i Kristy na dia amin’ny faniriana fotsiny aza[49]. Mandrara tanteraka ny fanitsakitsaham-bady ny didy fahenina sy ny Testamenta Vaovao[50]. Miampanga ny halehiben’izany ny mpaminany. Hitan’izy ireo amin’ny fanitsakitsaham-bady ny endriky ny fahotana amin’ ny fanompoan-tsampy[51].