Ny fiterahana amin’ny fanambadiana
Laharana 2372 amin’ny Katesizy
Ny Fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fiadanana amam-pahafinaretan’ny olom-pirenena. Noho izany, rariny sy hitsiny ny hirotsahany mba hanoritra ny lalan-kaleha momba ny fitomboan’ny mponina. Azony atao izany amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao tsy mitanila sy manaja, fa tsy amin’ny sori-dalana jadona sy maneritery. Raha amin’ny rariny sy ny hitsiny anefa, dia tsy azon’ny Fanjakana atao ny misolo ny fahafahana manapa-kevitry ny mpivady, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiterahana sy amin’ny fanabeazana ny zanak’izy ireo[42]. Amin’io sehatra io, tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny alalan’ny fomba mifanohitra amin’ny lalàna môraly izy.