Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1711 Ny olombelona endrik’Andriamanitra .Ny olombelona, noho izy nomena fanahy maha-olona, saina ary sitrapo, dia voalahatra ho an’Andriamanitra hatramin’ny niforonany tao am-bohoka ary voatendry ho amin’ny hasambarana mandrakizay. Manohy ny fahalavorariany izy amin’ny “ fikatsahana sy …
  2. 1712 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny fahafahana tena izy no “ famantarana manokana ny fitoviana endrika amin’Andriamanitra ” [30] ao amin’ny olombelona.
  3. 1713 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Voadidy ny olombelona hanaraka ny lalàna môraly izay manery azy “ hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy ” [31] . Manako ao amin’ny kônsiansiny io lalàna io.
  4. 1714 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny olombelona, noho ny fomba aman-toetrany voaratran’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mora andairan’ny fahadisoana sy mirona amin’ny ratsy amin’ny fampiasana ny fahafahany.
  5. 1715 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ilay izay mino an’i Kristy no manana ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina. Ny fiainana ara-môraly, mitombo sy mihamatotra amin’ny fahasoavana, dia tsy maintsy ho tomombana any amin’ny voninahitry ny lanitra.
  6. 1716 I. Ny hasambarana Ny hasambarana no foiben’ny fitorian-tenin’i Jesoa. Ny fanambaràny an’ ireny dia mamerina ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka voafidy nanomboka tamin’i Abrahama. Izany fanambaràny izany no manatanteraka ireo fampanantenana amin’ny fandaminana azy ireo …
  7. 1717 I. Ny hasambarana Ireo hasambarana ireo no manoritra ny endrik’i Jesoa-Kristy sy mamelabelatra amin’izany ny fitiavana ; ireo no manambara ny fiantsoan’ Andriamanitra ny mpino voakambana amin’ny voninahitry ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona …
  8. 1718 II. Ny faniriana ho sambatra Ny hasambarana notorìn’i Jesoa no mamaly amin’ny faniriana voa-Janahary ho sambatra. Avy amin’Andriamanitra izany faniriana izany ; napetrak’Andriamanitra tao am-pon’ny olombelona izany, mba hanintona azy ho Aminy ilay hany afaka mahampoka azy …
  9. 1719 II. Ny faniriana ho sambatra Ny hasambarana no mampiseho mazava ny zava-kendrena amin’ny fisian’ny olombelona sy ny tanjom-piafaràn’ny asany : Miantso antsika amin’ny hasambarany manokana Andriamanitra. Miantefa amin’ny olona tsirairay izany antso izany, nefa amin’ny fitambaran’ny Fiangonana …
  10. 1720 III. Ny hasambarana kristianina Mampiasa fiteny maro ny Testamenta Vaovao, mba hamaritana mazava ny hasambarana izay iantsoan’Andriamanitra ny olombelona : ny faha-tongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra [35] ; ny fahitana an’Andriamanitra : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra …
  11. 1721 III. Ny hasambarana kristianina Satria napetrak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao isika mba hahalala Azy, hanompo Azy sy ho tia Azy ary koa ho tonga any am-Paradisa. Ny hasambarana no mampandray anjara antsika amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra (2 …
  12. 1722 III. Ny hasambarana kristianina Ny hasambarana toy izany dia mihoatra ny fahatakaran-tsaina sy ny herin’ny maha-olombelona irery. Hasambarana vokatry ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Izany no antony ilazana azy hoe mihoatra ny natoraly, tahaka izany koa …
  13. 1723 III. Ny hasambarana kristianina Ny hasambarana nampanantenaina no mametraka antsika eo anoloan’ny safidy hentitra ara-môraly. Izy no mandrisika antsika handio ny fontsika manana tosi-kerim-panentana ratsy ao anaty, sy hikatsaka ny fitiavan’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra. Izy …
  14. 1724 III. Ny hasambarana kristianina Ny Didy folo, ny toriteny teo an-Tendrombohitra ary ny katesezy avy amin’ny apôstôly no mamelabelatra amintsika ny lalana izay mitondra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Mirotsaka tsikelikely amin’izany isika, amin’ny alalan’ny asa andavanandro, …
  15. 1725 III. Ny hasambarana kristianina Manavao sy manatanteraka ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra nanomboka hatramin’i Abrahama ireo hasambarana torin’i Kristy, tamin’ ny fandrindrany azy ireo amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Mamaly ny hetahetam-pahasambarana izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona izy …
  16. 1726 III. Ny hasambarana kristianina Mampianatra antsika ny tanjom-piafaràna izay iantsoan’ Andriamanitra antsika ireo hasambarana ireo : ny Fanjakan’ny lanitra, ny fahitana an’ Andriamanitra, ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’ Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay, ny maha-zanak’Andriamanitra, ny …
  17. 1727 III. Ny hasambarana kristianina Fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ny hasambaram-piainana mandrakizay ; mihoatra ny natoraly izany, tahaka ny fahasoavana mitondra mankany ihany .
  18. 1728 III. Ny hasambarana kristianina Mametraka antsika eo anoloan’ny safidy hentitra momba ny haren’ny tany ireo hasambarana notorin’i Kristy ; mandio ny fontsika ireo mba hianarantsika mitia an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra.
  19. 1729 III. Ny hasambarana kristianina Mamaritra ireo mari-pitsaràna ahaizana manavaka amin’ny fampiasana ny haren’ny tany mifanaraka amin’ny Lalànan’Andriamanitra, ny hasambaran’ny lanitra.
  20. 1730 Ny fahafahan’ny olombelona Noarìn’Andriamanitra ho manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona sady nomeny fahamendrehana amin’ny fahaizana manapa-kevitra hanao zavatra sy mifehy ny ataony. “"Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany" (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany mitady ny Mpahary …