Ny fahafahan’ny olombelona
Laharana 1730 amin’ny Katesizy
Noarìn’Andriamanitra ho manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona sady nomeny fahamendrehana amin’ny fahaizana manapa-kevitra hanao zavatra sy mifehy ny ataony. “"Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany" (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany mitady ny Mpahary azy, ka hiafara amin’ny fahalavorariana feno sy mahasambatra, amin’ny firaiketam-po an-kalalahana Aminy”[45] :
Manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona, izay izany no nahariana azy hitovy amin’Andriamanitra, sy hanana fahafahana ary ho tompon’ny asa ataony[46].