III. Ny hasambarana kristianina
Laharana 1721 amin’ny Katesizy
Satria napetrak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao isika mba hahalala Azy, hanompo Azy sy ho tia Azy ary koa ho tonga any am-Paradisa. Ny hasambarana no mampandray anjara antsika amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra (2 Pi 1,4) sy amin’ny Fiainana mandrakizay[40]. Miaraka amin’ny hasambarana ny olombelona no miditra ao amin’ny voninahitr’i Kristy[41] sy ao amin’ny hafinaretam-piainan’ny Trinite Masina.