III. Ny hasambarana kristianina
Laharana 1720 amin’ny Katesizy
Mampiasa fiteny maro ny Testamenta Vaovao, mba hamaritana mazava ny hasambarana izay iantsoan’Andriamanitra ny olombelona : ny faha-tongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra[35]; ny fahitana an’Andriamanitra : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8)[36] ; ny fidirana ao anatin’ny hafalian’ny Tompo[37] ; ny fidirana ao amin’ny Fialan-tsasatr’Andriamanitra[38] :
Ao no hiala sasatra sy hifankahita isika ; hifankahita sy hifankatia isika ; hifankatia sy hidera an’Andriamanitra isika. Izany no ho izy any amin’ny farany tsy manam-piafarana. Fa tanjona hafa inona no ananantsika, raha tsy ny ho tonga any amin’ny fanjakana izay tsy hanam-piafarana[39]?