Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1911 II. Ny soa iombonana Mihamitombo ny fifampiankinan’ny olombelona. Miitatra tsikelikely manerana ny tany tontolo izany. Ny mahairay ny fianakavian’olombelona, amin’ny famondronana ny olona mizaka ny fahamendrehana voa-Janahary mitovy, dia mahatonga ny soa iombonana ho an’ny daholobe …
  2. 1912 II. Ny soa iombonana Tantanina lalandava ho amin’ny fivoaran’ny olona ny soa iombonana : “Tokony hofehezin’ny rafi-pandaminan’ny olona ny rafi-pandaminana ny zavatra samihafa, fa tsy ny mifanohitra amin’izany tsy akory” [31] . Ny fahamarinana no fototr’io …
  3. 1913 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fandraisana anjara no firotsahan’ny olona an-tsitrapo sy malala-tanana eo amin’ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Ilaina ny andraisan’ny rehetra anjara, samy araka ny toerana misy azy sy ny anjara asa sahaniny, hampandrosoana ny soa …
  4. 1914 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fandraisana anjara aloha dia tanteraka amin’ny fandraisana ho andraikitra eo amin’ny sehatra izay izakana ny adidin’ny olona tsirairay : amin’ny fikarakarana atao amin’ny fanabeazana ny fianakaviany sy amin’ny fahatsiarovan-tena amin’ny asany, …
  5. 1915 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny olom-pirenena dia tokony handray anjara amim-pahavitrihana araka izay azo atao amin’ny fiainam-bahoaka . Ny fombafomba amin’io fandraisana anjara io dia mety miovaova arakaraka ny tany onenana sy ny kolontsain’ny mponina. “Tokony …
  6. 1916 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampiasana ny soa iombonana, toy ny adidy rehetra araka ny lalàm-pitondran-tena, dia mitarika fibebahan’ ireo mpiombon’antoka ara-piaraha-monina, izay fibebahana avaozin’izy ireo tsy an-kijanona. Ny fitaka sy ny …
  7. 1917 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Anjaran’ireo mizaka ny fahefana mifehy ny manamafy ny soatoavina izay hahasarika ny fitokian’ny mpikambana rehetra ao anatin’ireny fikambanana ireny sy hamporisika azy ireo hirotsaka hanasoa ny naman’ izy ireo. Manomboka amin’ny fanabeazana …
  8. 1918 III. Andraikitra sy fandraisana anjara “ Tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa ” (Rôm 13,1).
  9. 1919 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy mba haharetany sy hiitarany.
  10. 1920 III. Andraikitra sy fandraisana anjara “ Ao amin’ny toetra maha-olombelona ny olombelona no fototra iorenan’ ny fiainam-bahoaka sy ny fahefan’ny Fanjakana, ary ao amin’izany no iankinan’izy ireo avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ” [36] .
  11. 1921 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Miasa amin’ny fomba ara-drariny ny fahefana mifehy raha milofo amin’ ny fikatsahana ny soa iombonan’ny fiaraha-monina izy. Mba hahatratrarany izany, dia tsy maintsy mampiasa ny fomba azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy.
  12. 1922 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ara-dalàna ny faha-samihafa ireo lasi-pitondram-panjakana, raha toa ka manampy ho amin’ny soa iombonan’ny vahoaka izy ireny.
  13. 1923 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny mpifehy fanjakana dia tsy maintsy manaraka ny fetran’ny lalàm-pitondran-tena sy miantoka ny fepetra amin’ny fampiasana ny fahafahana.
  14. 1924 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny hoe soa iombonana dia “ ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra sy ny olona tsirairay mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa ” [37] .
  15. 1925 III. Andraikitra sy fandraisana anjara .Misy singafototra telo tsy azo avela ny soa iombonana : ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona ; ny fitomboana na fandrosoan’ ny soa aman-karena ara-panahy sy ny soa aman-karena …
  16. 1926 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fahamendrehan’ny olombelona no mampikatsaka ny soa iombonana. Ny tsirairay no tokony hisaintsaina hanangana sy hanohana ireo fikambanana izay manatsara ny toe-piveloman’ny olombelona.
  17. 1927 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Anjaran’ny Fanjakana ny miaro sy ny mampandroso ny soa iombonan’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena. Ny soa iombonan’ny fianakaviam-ben’ny olombelona manontolo dia mitaky fandaminana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena.
  18. 1928 Ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo araka ny fomba aman-toetran’izy ireo sy ny fiantsoana azy ireo. Mifamatotra amin’ny …
  19. 1929 I. Ny fanajana ny olombelona Tsy ho azo ny fahamarinana ara-piaraha-monina, raha tsy hajaina ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny olona no iafaran’ny tanjon’ny fiaraha-monina, izay narindra ho azy : Nankinin’ny Mpahary amintsika ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny …
  20. 1930 I. Ny fanajana ny olombelona Mitaky fanajana ireo zo izay avy amin’ny fahamendrehan’ny maha-zavaboary azy, ny fanajana ny olombelona. Talohan’ny fiaraha-monina sy tsy maintsy ekeny, ireny zo ireny. Manorina ny maha-ara-dalàna amin’ny lafiny môraly ny fahefana rehetra …