Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2186 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Aoka ny kristianina izay afaka miala voly mba hahatsiaro ny havana aman-tsakaizan’izy ireo izay manana izany filana sy zo izany koa, saingy tsy afaka miala sasatra noho ny fahantrana sy ny fahoriana. …
  2. 2187 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Mitaky ezaka iombonana ny fankamasinana ny alahady sy ny andro fety. Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo. …
  3. 2188 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Amin’ny fanajana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana sy ny soa iombonan’ny rehetra, dia tokony hampahafantarin’ireo kristianina ny maha-andro tsy fiasana ara-dalàna ny alahady sy ny andro fetin’ny Fiangonana. Hanome oha-piainana fakan-tahaka mibaribary ho an’ny …
  4. 2189 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa “ Mitandrema ny andro sabata mba hankamasina Azy ” (Det 5,12) . “ Ho andro fialan-tsasatra tanteraka ny andro fahafito, voatokana ho an’ny Tompo ” (Eks 31,15).
  5. 2190 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Ny sabata izay nanamarika ny fahavitan’ny fahariana voalohany dia nosoloana ny alahady izay mampahatsiaro ny fahariana vaovao, nosantarana tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.
  6. 2191 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Mankalaza ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ny Fiangonana amin’ny andro fahavalo, ka marina tokoa ny iantsoana an’izany hoe andron’ny Tompo, na alahady [108] .
  7. 2192 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa “ Ny alahady (…) dia tsy maintsy tandremana eo amin’ny Fiangonana manontolo ho andro fety lehibe indrindra voadidy hohamasinina ” [109] . “ Voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino, amin’ny alahady …
  8. 2193 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa . “ Amin’ny alahady na amin’ny andro hafa voadidy hohamasinina, ny mpino dia hifady ireo asa aman-draharaha samihafa, izay misakana ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy hatao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny andron’ny Tompo …
  9. 2194 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa .Ny nanaovana ny alahady dia ny hanampy ny “ rehetra hanana fotoam-pialan-tsasatra sy fotoam-pialam-boly ampy, izay ahafahany mikarakara ny fiainany ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-tsôsialy ary ara-pivavahana ” [112] .
  10. 2195 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo.
  11. 2196 « Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao » Ho valin’ny fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa ny amin’izay voalohany amin’ireo didy, dia hoy Izy : “Ny voalohany, dia izao : "Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanintsika no hany Tompo Tokana ; …
  12. 2197 Ny didy fahefatra Ny didy fahefatra no manokatra ny takela-bato faharoa. Izy no manondro ny didin’ny fifankatiavana. Sitrak’Andriamanitra, manarakaraka ny Tenany, ny hanajantsika ny ray aman-drenintsika izay nahazoantsika ny fiainana sy nampita tamintsika ny fahalalana …
  13. 2198 Ny didy fahefatra Manazava amin’ny fomba azo antoky ny adidy hotanterahina io didy io. Milaza ny didy manaraka rehetra izay mahakasika ny fanajana manokana ny aina, ny fanambadiana, ny soa amam-pananana eto an-tany, ny fiteny, …
  14. 2199 Ny didy fahefatra Mivantana mazava amin’ny zanaka eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ ny ray sy ny renin’izy ireo ny didy fahefatra, satria io fifandraisana io no mahakasika ny daholobe indrindra. Mahakasika koa ny fifandraisam-pihavanana amin’ny …
  15. 2200 Ny didy fahefatra Misy valisoany ny fitandremana ny didy fahefatra : “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao any amin’ny tany izay omen’ ny Tompo Andriamanitrao anao” (Eks 20,12) [3] …
  16. 2201 Toetran’ny fianakaviana Miorina amin’ny fifaneken’ny mpivady ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ ny soa ho an’ny mpivady sy ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny fifankatiavan’ny mpivady …
  17. 2202 Toetran’ny fianakaviana Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray akamban’ny fanambadiana no mamorona miaraka amin’ny zanak’izy ireo ny fianakaviana iray. Izany fandaharana izany dia mialohan’ny fankatoavana manontolo avy amin’ny Fanjakana ; tsy maintsy ekeny …
  18. 2203 Toetran’ny fianakaviana Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy no nanorenany ny fianakavian’olombelona sy nanomezany azy ny lalàna fototra iorenany. Mitovy fahamendrehana ny olona tsirairay ao amin’izany fianakaviana izany. Noho ny soa iombonana ho …
  19. 2204 Ny fianakaviana kristianina “Ny fianakaviana kristianina dia sady manambara no manatanteraka amin’ ny fomba manokana ny fiombonan’ny Fiangonana ; noho izany antony izany, (…) tokony antsoina hoe fiangonana kely ao an-tokantrano ny fianakaviana kristianina” [4] …
  20. 2205 Ny fianakaviana kristianina Fiombonan’ny olona ny fianakaviana kristianina, marika sy endriky ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina. Taratry ny tsanganasa faharian’ny Ray ny asany amin’ny ara-piterahana sy ny ara-panabeazana. Voantso hiombona …