Ny fianakaviana kristianina
Laharana 2204 amin’ny Katesizy
“Ny fianakaviana kristianina dia sady manambara no manatanteraka amin’ ny fomba manokana ny fiombonan’ny Fiangonana ; noho izany antony izany, (…) tokony antsoina hoe fiangonana kely ao an-tokantrano ny fianakaviana kristianina”[4]. Manjary fiombonam-pinoana, fanantenana ary fitiavana izy ; manana lanjany manokana izy ao amin’ny Fiangonana, araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao[5].