Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1326 I. Ny Eokaristia – loharano sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana Farany, amin’ny alalan’ny fankalazana ny Eokaristia no efa iraisantsika sahady amin’ny litorzia any an-danitra sy isantarantsika ny fiainana mandrakizay, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” Andriamanitra (1 Kôr 15,28).
  2. 1327 I. Ny Eokaristia – loharano sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana Amin’ny teny fohy, ny Eokaristia no famintinana sy fitambaran’ny finoantsika : “Mifanaraka amin’ny Eokaristia ny fomba fihevitsika, ary ho valin’izany manamafy ny fomba fihevitsika ny Eokarisita” [5] .
  3. 1328 II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Ny harena tovozin-tsy ritra avy amin’ity sakramenta ity, dia ambara amin’ny anarana samihafa izay omena azy. Samy milaza ny lafiny sasantsasany ny tsirairay amin’ireo anarana ireo. Antsoina izy hoe : Eokaristia satria …
  4. 1329 II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Sakafon’ny Tompo [6] , satria mahakasika ny Sakafo farany izay niarahan’ny Tompo tamin’ireo mpianany ny andro mialohan’ny fijaliany, sy fanaovana mialoha ny sakafo amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ Ondry [7] ao amin’ilay Jerosalema any …
  5. 1330 II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Tsangambato fahatsiarovana ny fijaliana sy ny fitsanganan’ny Tompo ho velona. Sorona Masina , satria izy no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny sorona tokan’i Kristy Mpamonjy sy manatsofoka ny fanatitry ny Fiangonana ; …
  6. 1331 II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Kômonio , satria amin’ny alalan’ity sakramenta ity no iraisantsika amin’i Kristy, izay mahatonga antsika ho mpandray anjara amin’ny Vatany sy ny Rany, mba hirafitra ho vatana iray [17] ; mbola antsoina hoe …
  7. 1332 II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Lamesa Masina , satria ny litorzia izay tanteraka amin’izany ny misterim-pamonjena, dia miafara amin’ny fanirahana ny mpino ( missio ) mba hanatanterahan’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany andavanandro.
  8. 1333 Ny famantarana ny mofo sy ny divay Eo anivon’ny fankalazana ny Eokaristia, dia misy ny mofo sy ny divay, izay nanjary Vatana sy Ran’i Kristy, amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy sy amin’ny alalan’ny fiantsoana ny Fanahy Masina. Manaraka ny didin’ny …
  9. 1334 Ny famantarana ny mofo sy ny divay Tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, anisan’ireo santa-bokatry ny tany natolotra ho sorona ny mofo sy ny divay, ho mari-pankasitrahana ny Mpahary. Kanefa nahazo dikany vaovao koa izy ireny ao amin’ny hevitra manodidina ny Eksaody …
  10. 1335 Ny famantarana ny mofo sy ny divay Ny zava-mahagaga tamin’ny fampitomboana ny mofo, rahefa nitsodrano ny Tompo, namaky ny mofo sy nizara izany tamin’ny mpianany mba hamahanana ny vahoaka maro be, dia maneho mialoha ny fahabetsahana mihoa-pampana avy amin’ity …
  11. 1336 Ny famantarana ny mofo sy ny divay Nampisara-kevitra ny mpianatra ny fanambaràna voalohany momba ny Eokaristia, tahaka ny fanambaràna ny fijaliana izay nanafintohina azy ireo : “Sarotra izany teny izany ! Iza no mahahaino izany ? ” (Jo 6,61). …
  12. 1337 Ny fanorenana ny Eokaristia Ny Tompo, rahefa tia ny azy, dia tia azy ireo hatramin’ny farany. Fantany fa tonga ny ora hialany amin’izao tontolo izao mba hiverenany any amin’ny Rainy, ka teo am-pisakafoana, dia nanasa ny …
  13. 1338 Ny fanorenana ny Eokaristia Ny Evanjely telo sinôptika sy i Md Paoly no nampita amintsika ny tantaran’ny fanorenana ny Eokaristia ; etsy an-kilany, i Md Joany dia mamerina milaza ny tenin’i Jesoa tao amin’ny sinagôgan’i Kafarnaoma, …
  14. 1339 Ny fanorenana ny Eokaristia Nifidy ny fotoanan’ny Paka i Jesoa mba hanatanterahana izay nambarany tao Kafarnaoma : manome ny Vatany sy ny Rany ho an’ny mpianany : Dia tonga ny andron’ny Azima izay tsy maintsy hamonoana …
  15. 1340 Ny fanorenana ny Eokaristia Tamin’ny fankalazana ny Sakafo farany niarahany tamin’ny apôstôliny nandritra ny sakafon’ny Paka no nanomezan’i Jesoa ny tena dikany raikitra ny Paka jody. Satria, ny fandalovan’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany …
  16. 1341 “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” Ny didin’i Jesoa mba hamerina ny fihetsiny sy ny teniny “mandra-piveriny” dia tsy mitaky fotsiny ny hahatsiarovana an’i Jesoa sy izay nataony. Ny kendreny dia ny fankalazana litorzika, amin’ny alalan’ny apôstôly sy …
  17. 1342 “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” Hatrany am-piandohana ny Fiangonana no tsy nivadika tamin’ny baikon’ny Tompo. Izao no voalaza ny amin’ny Fiangonan’i Jerosalema : Nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, naharitra tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny famakiana …
  18. 1343 “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” “Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro” indrindra, izany hoe andro alahady, andron’ny nitsanganan’ i Jesoa ho velona, no nivorian’ ny kristianina “mba hamaky ny mofo” (Asa 20,7). Nanomboka tamin’izany fotoana izany ka hatramin’izao …
  19. 1344 “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” Arak’izany, ny Vahoakan’Andriamanitra ety am-pivahiniana, amin’ny fankalazana mifandimby, anambaràna ny misterin’ny Pakan’i Jesoa “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26), dia “mandroso amin’ny vavahady ety ny Hazofijaliana” [30] , mankany amin’ny fanasam-be any an-danitra, fa …
  20. 1345 Ny lamesan’ny taonjato nifandimby Hatrany amin’ny taonjato faharoa, no nananantsika ny soratra vavolombelon’i Md Justin le Martyr ny amin’ireo soritsoritra vaventy amin’ny fizotran’ny fankalazana ny Eokaristia. Maharitra tsy niova amin’ny maha-izy azy ireo soritsoritra ireo hatramin’izao …