Ny fanorenana ny Eokaristia

Laharana 1338 amin’ny Katesizy

Ny Evanjely telo sinôptika sy i Md Paoly no nampita amintsika ny tantaran’ny fanorenana ny Eokaristia ; etsy an-kilany, i Md Joany dia mamerina milaza ny tenin’i Jesoa tao amin’ny sinagôgan’i Kafarnaoma, teny izay manomana ny fanorenana ny Eokaristia : manondro ny Tenany ho ny mofon’ny fiainana, nidina avy any an-danitra i Kristy[28].

Loharano ôfisialy ↗