“Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy”
Laharana 1344 amin’ny Katesizy
Arak’izany, ny Vahoakan’Andriamanitra ety am-pivahiniana, amin’ny fankalazana mifandimby, anambaràna ny misterin’ny Pakan’i Jesoa “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26), dia “mandroso amin’ny vavahady ety ny Hazofijaliana”[30], mankany amin’ny fanasam-be any an-danitra, fa any ny olom-boafidy rehetra no hipetraka hihinana eo amin’ny latabatry ny Fanjakan’Andriamanitra.