Ny famantarana ny mofo sy ny divay

Laharana 1335 amin’ny Katesizy

Ny zava-mahagaga tamin’ny fampitomboana ny mofo, rahefa nitsodrano ny Tompo, namaky ny mofo sy nizara izany tamin’ny mpianany mba hamahanana ny vahoaka maro be, dia maneho mialoha ny fahabetsahana mihoa-pampana avy amin’ity mofo tokan’ny Eokaristiany ity[23]. Ny famantarana momba ny rano voaova ho divay tao Kanà[24] dia manambara sahady ny Oran’ny fanomezam-boninahitra an’i Jesoa. Maneho ny fahatanterahan’ny sakafon’ny fampakaram-bady any amin’ny Fanjakan’ny Ray izany, izay any ny mpino no  hisotro  ny divay vaovao[25] tonga Ran’i Kristy.

Loharano ôfisialy ↗