II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?

Laharana 1329 amin’ny Katesizy

Sakafon’ny Tompo[6], satria mahakasika ny Sakafo farany izay niarahan’ny Tompo tamin’ireo mpianany ny andro mialohan’ny fijaliany, sy fanaovana mialoha ny sakafo amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ Ondry[7] ao amin’ilay Jerosalema any an-danitra.

Famakiana ny mofo, satria ity fombam-pivavahana ity, izay fanao manokana amin’ny sakafo jody, dia nampiasain’i Jesoa rahefa nitsodrano sy nizarazara ny mofo amin’ny maha-tompon’ny fanasana Azy Izy[8], indrindra tamin’ny Sakafo farany[9]. Amin’izany fihetsika izany no hahalalan’ny mpianatra Azy aorian’ny fitsanganany ho velona[10], ary avy amin’io fombam-pitenenana io no hanondroan’ny kristianina voalohany ny fiaraha-miangona ataon’izy ireo amin’ny Eokaristia[11]. Ny ambaran’izy ireo amin’izany dia hoe : ireo rehetra izay mihinana ny mofo tokana novakìna, i Kristy, dia miditra amin’ny fiombonana Aminy ary tsy mamorona afa-tsy vatana iray ihany ao Aminy[12].

Fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia (synaxis) satria ny Eokaristia dia ankalazaina amin’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino, fanehoana hita maso ny Fiangonana[13].

Loharano ôfisialy ↗