II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?

Laharana 1331 amin’ny Katesizy

Kômonio, satria amin’ny alalan’ity sakramenta ity no iraisantsika amin’i Kristy, izay mahatonga antsika ho mpandray anjara amin’ny Vatany sy ny Rany, mba hirafitra ho vatana iray[17] ; mbola antsoina hoe zava-masina izy: ta hagia ; sancta[18] – izany no dikany voalohany amin’ny hoe “fiombonan’ny olomasina” izay lazain’ny Sembolin’ny apôstôly - , mofon’ny anjely, mofo avy any an-danitra, fanafodin’ny tsy fahafatesana[19], vatsy masina …

Loharano ôfisialy ↗