Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
161
Ny ilana ny finoana
Ny mino an’i Jesoa-Kristy sy an’Ilay izay naniraka Azy ho famonjena antsika, dia ilaina mba hahazoana io famonjena io [175] . “Satria “raha tsy misy ny finoana (…), dia tsy misy ahazoana …
→
-
162
Ny fitozoana amin’ny finoana
Fanomezana maimaim-poana nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny finoana. Afaka manary io fanomezana sarobidy io isika ; nampitandrina an’i Timôte ny amin’izany i Md Paoly hoe : “Miadia amin’ny ady tsara, hananana finoana …
→
-
163
Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay
Ny finoana no mahatonga antsika manandrana dieny mialoha ny hafaliana sy ny hazavan’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra, tanjon’ny diantsika ety an-tany. Rahatrizay, hahita an’Andriamanitra “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), “araka ny …
→
-
164
Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay
Ankehitriny anefa, “mizotra ao amin’ny finoana isika, fa tsy amin’ny fahitana” (2 Kôr 5,7), ary “toy ny ao amin’ny fitaratra, ka tsy hita mazava, (…), tsy lavorary” (1 Kôr 13,12) no ahalalantsika …
→
-
165
Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay
Amin’izany isika no tsy maintsy mitodika mankamin’ireo vavolombelon’ny finoana : I Abrahama, izay nino “ary nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenana aza” (Rôm 4,18) ; i Maria Virjiny, “nandroso tamin’ny lalan’ny …
→
-
166
Mino isika
Asan’ny tsirairay ny finoana : valin-teny an-kalalahan’ny olombelona avy amin’ny fanombohan’Andriamanitra manambara ny Tenany. Kanefa tsy asa mandeha singany ny finoana. Tsy misy afaka mino irery, tahaka ny tsy hahafahana miaina irery. …
→
-
167
Mino isika
“Izaho mino” [184] : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny mpino tsirairay, indrindra amin’ny fotoana andraisana ny Batemy. “Mino izahay” [185] : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny Eveka tafavory amin’ny Kônsily, na matetika …
→
-
168
I. “Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao”
Ny Fiangonana aloha no mino, ary amin’izany no itondrany sy amelomany ary anohanany ny finoako. Ny Fiangonana aloha, hatraiza hatraiza, no manambara ny Tompo (“Ianao, amin’ny alalan’izao tontolo rehetra izao, no ambaran’ny …
→
-
169
I. “Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao”
Avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena ; kanefa noho isika mandray ny fiainam-pinoana amin’ny alalan’ny Fiangonana, dia izy izany no renintsika : “Mino ny Fiangonana ho Reny miteraka antsika amin’ny fahateraham-baovao isika, …
→
-
170
II. Ny fiteny ilazana ny finoana
Tsy amin’ny rijan-teny no inoantsika, fa amin’ny zavatra tena izy izay ambarany, ary ny finoana no ahafahantsika “mahatsapa” izany. “Tsy mijanona fotsiny amin’ny filazana, ny asan’(ny finoan’)ny mpino, fa mipaka hatrany amin’ny …
→
-
171
II. Ny fiteny ilazana ny finoana
Ny Fiangonana, izay “andry sy tohan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia mitahiry araka ny tena izy ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina [189] . Izy no mitahiry ny fahatsiarovana ny …
→
-
172
III. Iray ihany ny finoana
Ny Fiangonana, hatramin’izay taonjato nifandimby izay, amin’ny alalan’ny fiteny maro, kolontsaina maro, vahoaka ary firenena maro, dia tsy mitsahatra manambara ampahibemaso ny finoany tokana, noraisina tamin’ny Tompo iray, nampitaina tamin’ny Batemy iray, …
→
-
173
III. Iray ihany ny finoana
“Satria, ny Fiangonana, na dia miely amin’ny tany tontolo ka tonga hatrany amin’ny fara vazan-tany aza, noho izy nandray ny finoana avy amin’ny apôstôly sy avy amin’ny mpianatr’izy ireo (…), dia mitahiry …
→
-
174
III. Iray ihany ny finoana
“Satria, na samy hafa aza ny fiteny manerana ny tany, ny zava-boarakitry ny Lovam-pampianarana dia iray ihany ary mitovy tsy misy valaka. “Ary na ny Fiangonana miorina any Germanie, na ireo izay …
→
-
175
III. Iray ihany ny finoana
“Tandremantsika fatratra io finoana izay noraisintsika tamin’ny Fiangonana io, satria noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra, tahaka ny tahiry sarobidy voahidy ao anatin’ny tavoara tsara, dia tsara ny manavao sy manatanora tsy an-kijanona an’ilay …
→
-
176
III. Iray ihany ny finoana
Ny finoana dia firaiketan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany. Izany dia miaraka amin’ny firaiketan’ny saina aman-tsitrapo amin’ny Fanambaràna nataon’ny Tenan’Izy Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo asany sy ireo teniny.
→
-
177
III. Iray ihany ny finoana
Misy roa àry ny endrika isehoan’ny “ mino ” : amin’ny olona sy amin’ny fahamarinana ; amin’ny fahamarinana noho ny fitokiana an’ilay olona izay milaza marina an’izany.
→
-
178
III. Iray ihany ny finoana
Tsy tokony hino hafa afa-tsy Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina isika.
→
-
179
III. Iray ihany ny finoana
Fanomezana mihoatra ny natoraly avy amin’Andriamanitra ny finoana. Mila ny fanampiana anaty avy amin’ny Fanahy Masina ny olona, mba hino.
→
-
180
III. Iray ihany ny finoana
Ny “ mino ” dia asan’ny olombelona, mahatsiaro tena sy afaka, izay mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny maha-olombelona.
→