Fanambaràna
Laharana 24
- 50 Ny fihaonan’Andriamanitra amin’ny olombelona Ny olombelona, amin’ny alalan’ny saina voa-Janahary, dia afaka mahalala marina an’Andriamanitra, miainga avy amin’ireo tsanganasany. Kanefa misy fahalalana hafa izay tsy mety ho takatry ny olombelona mihitsy amin’ny herin’ny tenany ihany, dia …
- 51 I. Andriamanitra manambara ny “fandaharany feno fitiavana” “Sitrak’Andriamanitra noho ny fahendreny sy ny hatsaram-pony, ny manambara ny Tenany sy ny mampahalala ny misterin’ny sitrapony, ka ahafahan’ny olombelona, amin’ny alalan’i Kristy Teny tonga Nofo, manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy …
- 52 I. Andriamanitra manambara ny “fandaharany feno fitiavana” Tian’Andriamanitra izay “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” (1 Tim 6,16), ny mampifandray ny fiainana maha-Andriamanitra Azy amin’ ny olombelona noarìny an-kalalahana, mba hahatonga azy ireo ho zanaka natsangana [23] , …
- 53 I. Andriamanitra manambara ny “fandaharany feno fitiavana” Ny fandaharan’Andriamanitra momba ny Fanambaràna dia indray tanteraka “tamin’ny asa sy tamin’ny teny, mifamatotra anaty amin’izy samy izy” [24] sy mifanazava amin’izy samy izy. Misy “fanabeazan’Andriamanitra” manokana io fandaharany io : Nampahalalainy …
- 54 Hatrany am-piandohana no mampahalala ny Tenany Andriamanitra “Andriamanitra izay nahary sy mitahiry ny zava-drehetra amin’ny Teniny, dia manolotra amin’ny olombelona ny fanehoana sesilany ny Tenany, ao amin’ny zavaboary ; noho izy te-hanokatra bebe kokoa ny lalam-pamonjena ambony dia ambony, …
- 55 Hatrany am-piandohana no mampahalala ny Tenany Andriamanitra Tsy afaka nampitsahatra izany Fanambaràna izany ny fahotana nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Koa, “taorian’ny fahalavoan’izy ireo, dia nampanantena fanavotana azy ireo Andriamanitra, nanome herim-po mba hananan’izy ireo fanantenam-pamonjena ; nasehony tsy tapaka ny …
- 56 Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe Vantany vao nosarahin’ny fahotana ny firaisan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia ny hamonjy ny olombelona miainga avy amin’ireo antokony tsirairay voasaratsaraka ireo no voalohany indrindra nokendren’ Andriamanitra. Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe taorian’ny …
- 57 Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe Izany fandaminana izany, izay sady mahakasika an’izao tontolo izao voarindra no mahakasika ny fiaraha-monina sy ny fivavahan’ny ankamaroan’ ny firenena [31] , dia natao hametra ny avonavon’ny olombelona lavo, izay miombon-kevitra ao …
- 58 Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe Manan-kery ny fanekem-pihavanana natao tamin’i Nôe, raha mbola mandia ny fotoanan’ny jentily [35] , ambara-pahatongan’ny fitoriana ny Evanjely manerana an’izao tontolo izao. Hajain’ny Baiboly ny sasany amin’ireo olomanga teo amin’ny “firenena”, tahaka …
- 59 Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra Mba hanangonana ny olombelona rehetra niparitaka, dia nifidy an’i Abrama Andriamanitra ary niantso azy “handao ny tanindrazany, ny havany ary ny tranony” (Jen 12,1) mba hahatonga azy ho Abrahama, izany hoe “rain’ny …
- 60 Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra Ny vahoaka taranak’i Abrahama no mpandova ny fampanantenana natao tamin’ireo patriarka ; izy ireo no ilay vahoaka voafidy [39] , nantsoina hanomana ny famondronana ny zanak’Andriamanitra rehetra ho iray ao anatin’ny Fiangonana, …
- 61 Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra Ny patriarka sy ny mpaminany ary ireo olona sasany ao amin’ny Testamenta Taloha, dia nohajaina ary hohajaina lalandava toy ny olomasina ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika manontolo an’ny Fiangonana.
- 62 Nanabe an’i Israely vahoakany Andriamanitra Taorian’ireo patriarka, namorona an’i Israely ho vahoakany Andriamanitra, tamin’ny namonjeny azy ho afaka tamin’ny fanandevozana tao Ejipta. Nanao fanekem-pihavanana taminy teo Sinaia Izy ary nanome azy ny lalànany tamin’ny alalan’i Môizy, mba …
- 63 Nanabe an’i Israely vahoakany Andriamanitra I Israely no vahoaka mpisoron’Andriamanitra [43] , ilay “mitondra ny anaran’ny Tompo” (Det 28,10). Izy no vahoaka amin’ireo “izay voalohany nitenenan’ Andriamanitra” [44] , ilay “zoky lahimatoa” amin’ny finoan’i Abrahama [45] .
- 64 Nanabe an’i Israely vahoakany Andriamanitra Tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra no nanabe ny vahoakany tao anatin’ny fanantenam-pamonjena, teo am-piandrasana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay natokana ho an’ny olombelona rehetra [46] , ary hosoratana ao am-po [47] . Nolazain’ny …
- 65 Voalazan’Andriamanitra avokoa ao amin’ny Teniny ny zavatra rehetra. “Fahiny, tamin’ny fotoana sy fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany Andriamanitra ; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika” (Heb 1,1-2). I Kristy, Zanak’Andriamanitra …
- 66 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa “Ny Fitantanam-pamonjena kristianina, amin’ny maha-Fanekem-pihavanana Vaovao sady mandrakizay izany, dia tsy ho levona na oviana na oviana, koa tsy hisy na iray aza fanambaràna vaovao ampahibemaso, andrasana alohan’ ny fisehoan’i Jesoa-Kristy Tompontsika …
- 67 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Nanaraka ny fifandimbiasan’ny taonjato maro, dia nisy ny fanambaràna antsoina hoe “manokana”, izay ny sasantsasany tamin’ireny no nankatoavina ho marina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Fiangonana. Tsy anisan’ny raki-pinoana anefa izy ireny. Tsy ny …
- 68 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Noho ny fitiavana, dia nanambara ny Tenany sy nanolotra ny Tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra. Amin’izany Izy no manome ny valin-teny raikitra sy mihoatra lavitra noho izay fanontaniana apetraky ny olombelona momba ny …
- 69 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Nanambara ny Tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra, amin’ny fampahalalana tsikelikely taminy ny misteriny manokana, tamin’ny alalan’ny asa sy tamin’ny alalan’ny teny.
- 70 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Ankoatra ny porofo izay omen’ny Tenan’Izy Andriamanitra ao amin’ireo zavaboary, dia naneho ny Tenany ihany koa Izy tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Niresaka tamin’izy ireo Izy,ary taorian’ny fahalavoana dia nampanantena famonjena [55] tamin’izy ireo …
- 71 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Nanao fanekem-pihavanana mandrakizay teo Aminy sy ny zavamananaina rehetra niaraka tamin’i Nôe, Andriamanitra [56] . Haharitra izany, hatramin’ ny faran’izao tontolo izao.
- 72 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra ary nanao fanekem-pihavanana taminy sy tamin’ny taranany. Nanabe ny vahoakany tamin’izany Izy, izay nanambaràny ny lalànany tamin’ny alalan’i Môizy. Nanomana azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminany Izy, mba handray …
- 73 Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa Nanambara manontolo ny Tenany Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny tena Zanany, Ilay nanorenany ny Fanekem-pihavanana mandrakizay. Izy io no Tenin’ny Ray farany, ka tsy hisy Fanambaràna hafa intsony aoriany.