Hatrany am-piandohana no mampahalala ny Tenany Andriamanitra

Laharana 54 amin’ny Katesizy

“Andriamanitra izay nahary sy mitahiry ny zava-drehetra amin’ny Teniny, dia manolotra amin’ny olombelona ny fanehoana sesilany ny Tenany, ao amin’ny zavaboary ; noho izy te-hanokatra bebe kokoa ny lalam-pamonjena ambony dia ambony, dia naneho ny Tenany koa Izy, hatrany am-piandohana, tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika”[26]. Nasainy izy ireo ho amin’ny fiombom-po lalina amin’ny Tenany, tamin’ny nanomezany azy ireo ny fahasoavana amam-pahamarinana mamirapiratra.

Loharano ôfisialy ↗