Hatrany am-piandohana no mampahalala ny Tenany Andriamanitra

Laharana 55 amin’ny Katesizy

Tsy afaka nampitsahatra izany Fanambaràna izany ny fahotana nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Koa, “taorian’ny fahalavoan’izy ireo, dia nampanantena fanavotana azy ireo Andriamanitra,  nanome herim-po mba hananan’izy ireo fanantenam-pamonjena ; nasehony tsy tapaka ny fiahiany ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, mba hanomezana ny fiainana mandrakizay an’ireo rehetra mikatsaka ny famonjena amin’ny faharetana manao ny tsara”[27].

Nony very fihavanana taminao ny olombelona, tamin’ny fivadihany Taminao,  dia tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy. (…)  Imbetsaka no nanolotra fanekem-pihavanana tamin’izy ireo Ianao”[28].

Loharano ôfisialy ↗