← Lohahevitra rehetra

Fivavahana

Laharana 178

  1. 2648 V. Ny vavaka fiderana Ny hafaliana rehetra mbamin’ny fijaliana rehetra, ny zava-miseho rehetra mbamin’ny zavatra rehetra ilaina, dia azo anaovana fisaorana avokoa izay tokony hanenika ny fiainana manontolo, amin’ny fandraisana anjara amin’ ny fisaoran’i Kristy. “ …
  2. 2649 V. Ny vavaka fiderana Ny vavaka fiderana, tsy ikendrena tombon-tsoa ho an’ny tena avokoa, fa miantefa amin’Andriamanitra ; ihiràna Azy izany mba ho Azy, anomezana voninahitra Azy izany, mihoatra noho izay ataony, satria IZY NO IZY.
  3. 2650 Ny lovam-panahy momba ny fivavahana Ny vavaka dia tsy azo fintinina amin’ny fiboiboika mipoitra ho azy avy amin’ny tosi-kerim-pamporisika ao anaty : mba hivavaka, ilaina ny finiavana hanao izany. Tsy ampy fotsiny koa ny mahalala izay ambaran’ny …
  4. 2651 Ny lovam-panahy momba ny fivavahana Ny lovam-panahy momba ny fivavahana kristianina dia iray amin’ireo endriky ny fitomboan’ny Lovam-pampianaram-pinoana, indrindra amin’ny alalan’ny fibanjinana sy ny fianaran’ny mpino izay mitahiry ao am-pon’izy ireo ny zava-miseho sy ny tenin’ny fitantanam-pamonjena, …
  5. 2652 Ny loharanon’ny fivavahana Ny Fanahy Masina no “ilay rano velona” izay miboiboika hatrany amin’ ny Fiainana mandrakizay [3] , ao anatin’ny fo mivavaka. Izy no mampianatra antsika handray Izany ao amin’ny Tenan’ilay Loharano, dia i …
  6. 2653 Ny Tenin’Andriamanitra Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka …
  7. 2654 Ny Tenin’Andriamanitra Ireo Ray am-panahy, amin’ny fivoasana ny Mt 7,7, dia mamintina toy izao ny fahavononan’ny fo velomin’ny Tenin’Andriamanitra rahefa mivavaka : “Mitadiava ianareo eo am-pamakian-teny, fa hahita ianareo eo am-pandinihana ; dondòny eo …
  8. 2655 Ny litorzian’ny Fiangonana Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, izay mitory, mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ary mampita ny misterim-pamonjena ao amin’ ny litorzia ara-tsakramentan’ny Fiangonana, dia mitohy ao am-pon’izay mivavaka. Indraindray ampitovian’ny Ray …
  9. 2656 Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Toy ny idirana ao amin’ny litorzia no idirana ao amin’ny fivavahana : amin’ny varavarana ety ny finoana . Amin’ny alalan’ireo famantarana ny maha-Eo ny Tompo, dia ny Endriny no tadiavintsika sy irìntsika, …
  10. 2657 Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Ny Fanahy Masina, izay mampianatra antsika hankalaza ny litorzia eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy, no manabe antsika hivavaka ao anatin’ny fanantenana . Raha avadika ny filaza azy, ny vavaky ny Fiangonana sy …
  11. 2658 Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra “Ny fanantenana tsy manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra ” (Rôm 5,5). Ny fivavahana, novolavolain’ny fiainana litorzika dia manovo manontolo ao amin’ny Fitiavana izay itiavana …
  12. 2659 “Anio” Mianatra mivavaka isika amin’ny fotoana sasany amin’ny fihainoana ny Tenin’ny Tompo sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny Pakany, nefa amin’ny fotoana rehetra kosa, amin’ny zava-miseho isan’andro , no anolorany amintsika ny Fanahiny …
  13. 2660 “Anio” Ny mivavaka araka ny zava-miseho isan’andro sy isan’ora no anisan’ny iray amin’ireo tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara amin’ireo “madinika indrindra”, amin’ireo mpanompon’i Kristy, amin’ireo mahantra voalazan’ny hasambarana. Mendrika sy rariny ny mivavaka, mba ny …
  14. 2661 “Anio” Amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery, dia ny Lovam-pampianarana izany, no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka, ao amin’ny Fiangonana.
  15. 2662 “Anio” Ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzian’ny Fiangonana, ny hasin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, no loharanom-bavaka.
  16. 2663 Ny lalan’ny fivavahana Ao amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana, ny Fiangonana tsirairay dia samy manome hevitra ny mpinony, araka ny tontolom-piainana eo amin’ny tantara, fiaraha-monina ary kolontsaina, ny fombam-panehoana ny vavak’izy ireo : fiteny, …
  17. 2664 Ny fivavahana amin’ny Ray Tsy misy lalan-kafan’ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an’ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po, dia tsy ho tonga any amin’ny Ray raha tsy mivavaka “amin’ny …
  18. 2665 Ny fivavahana amin’i Jesoa Ny vavaky ny Fiangonana, velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazana amin’ny litorzia, no mampianatra antsika hivavaka amin’i Jesoa Tompo. Na dia avantana indrindra any amin’ny Ray azy izany, ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika rehetra, …
  19. 2666 Ny fivavahana amin’i Jesoa Fa ny Anarana izay mahafaoka azy rehetra dia ilay izay noraisin’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny Fahatongavany ho nofo hoe : JESOA. Tsy hain’ny vavan’olombelona tononina ny Anaran’Andriamanitra [11] , nefa amin’ ny fizakan’ny Tenin’Andriamanitra …
  20. 2667 Ny fivavahana amin’i Jesoa Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia …
  21. 2668 Ny fivavahana amin’i Jesoa Ny fiantsoana ny anara-masin’i Jesoa no lalana tsotra indrindra amin’ny vavaka tsy an-kijanona. Noho izy averimberin’ny fo mahatandrina amim-panetren-tena matetika, dia tsy miparitaka amin’ny hamaroan’ny teny (Mt 6,7) izy, fa “mitana ny …
  22. 2669 Ny fivavahana amin’i Jesoa Ny vavaky ny Fiangonana dia manaja sy manome voninahitra ny Fon’i Jesoa , tahaka ny iantsoany ny Anarany masina indrindra. Ny vavaky ny Fiangonana dia mitsaoka ny Teny tonga nofo sy ny …
  23. 2670 “Avia, ry Fanahy Masina” “Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Isaky ny manomboka mivavaka amin’i Jesoa isika, dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ho amin’ny …
  24. 2671 “Avia, ry Fanahy Masina” Ny fomba fanao araka ny lovantsofina amin’ny fangatahana ny Fanahy, dia ny mitalaho amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika mba hanomezany antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo [17] . Nanantitrantitra ny momba izany …
  25. 2672 “Avia, ry Fanahy Masina” Ny Fanahy Masina, izay fanosorana mamonto ny maha-olona antsika manontolo, no Mpampianatra ao anaty amin’ny fivavahana kristianina. Izy no tompon’antoky ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana. Marina fa samy maro ny fandrosoana …
  26. 2673 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Amin’ny vavaka, ny Fanahy Masina no mampiray antsika amin’ny Tenan’ ny Zanaka Lahitokana, amin’ny maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy. Amin’ny alalan’io Tenany io sy ao Aminy ny fivavahana amin’ny maha-zanaka antsika no miombona ao …
  27. 2674 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Ny maha-Reny an’i Maria, izay nanomboka tamin’ny fanekena amim-pinoana, ny andron’ny “Filazana”, ary voatanany tsy nisy fisalasalana hatreo am-pototry ny Hazofijaliana, dia miitatra tsy miato amin’ny rahalahy sy anabavin’ny Zanany “mbola ety …
  28. 2675 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Miainga avy amin’izany fiaraha-miasa manokana eo amin’i Maria sy ny asan’ny Fanahy Masina izany no nampiroboroboan’ireo Fiangonana ny fangatahana atao amin’ny Reny masin’Andriamanitra, amin’ny fampifantohana izany amin’ny Tenan’i Kristy naseho miharihary tao …
  29. 2676 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra Ao amin’ny vavaka hoe “Arahaba, ry Maria”, no ahitana amin’io fihetsika anankiroa amin’ny fangatahana amin’i Maria io ny fomba fiteny maneho tombon-tsoa manokana : “ Arahaba ry Maria (Mifalia ianao, ry Maria). …
  30. 2677 Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra “ Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay ... ” Miaraka amin’i Elizabeta isika no mitolagaga hoe :”Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ?” (Lk 1,43). Sady Renin’Andriamanitra no …