Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
Laharana 2674 amin’ny Katesizy
Ny maha-Reny an’i Maria, izay nanomboka tamin’ny fanekena amim-pinoana, ny andron’ny “Filazana”, ary voatanany tsy nisy fisalasalana hatreo am-pototry ny Hazofijaliana, dia miitatra tsy miato amin’ny rahalahy sy anabavin’ny Zanany “mbola ety am-pivahiniana ka tandindomin-doza sy ianjadiam-pahoriana”[22]. I Jesoa, ilay Mpanalalana tokana, no lalan’ny fivavahantsika ; i Maria, Reniny sady Renintsika, dia mangarahara tanteraka ao amin’i Jesoa : izy no “manoro ny lalana” (Hodoghitria), izy no “Famantarana” amin’izany, araka ny haisarimasina avy amin’ny lovantsofina any Atsinanana sy any Andrefana.