Ny fivavahana amin’i Jesoa

Laharana 2667 amin’ny Katesizy

Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia ny fiantsoana hoe : “Jesoa, Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo ô, mamindrà fo aminay mpanota !”. Izany fiantsoana izany dia mampiray ny tonon-kiram-piderana an’i Kristy ao amin’ny Filip 2,6-11 amin’ny antson’ilay poblikanina sy ireo mpangataka fahiratana[14]. Amin’ny alalan’izany fiantsoana izany ny fo no manaiky amin’ny fahorian’ny olombelona sy amin’ny Famindram-pon’ny Mpamonjy azy ireo.

Loharano ôfisialy ↗