← Lohahevitra rehetra

Fivavahana

Laharana 178

  1. 2588 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny fanehoan’endrika maro amin’ny vavaka Salamo dia sady maka endrika ao amin’ny litorzian’ny Tempoly no ao am-pon’ny olombelona. Na antsa no atao, na vavaka noho ny fahoriana, na vavaka fisaorana, na fitalahoan’olon-drery …
  2. 2589 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Toetra maharitra no maninteraka ny Salamo : ny fahatsoran’ny vavaka sy ny fanaovana izany, izay nipoitra ho azy avy ao am-po, ny faniriana an’ Andriamanitra rahateo amin’ny alalan’ny tsara rehetra amin’ny zavaboariny …
  3. 2590 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona “ Ny fivavahana dia fanondrotana ny fanahy any amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa rehetra sahaza ” [51] .
  4. 2591 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Tsy sasatra Andriamanitra miantso ny olona tsirairay mba hihaona Aminy amin’ny fomba mifono mistery. Mifanindran-dalana amin’ny tantaram-pamonjena manontolo ny fivavahana, tahaka ny antso ifamalian’ Andriamanitra sy ny olombelona .
  5. 2592 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny fivavahan’i Abrahama sy Jakôba dia miseho toy ny tolona atao amim-pinoana ao anatin’ny fitokiana ny tsy fivadihan’Andriamanitra sy ao anatin’ ny fahazoana antoka ny fandresena nampanantenaina vokatry ny fitozoana .
  6. 2593 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Mifanaraka amin’ny firotsahana mialoha ataon’ilay Andriamanitra velona ho amin’ny famonjena ny vahoaka ny fivavahan’i Môizy. Manambara mialoha ny vavaka fitalahoan’i Kristy Jesoa hany mpanalalana izany .
  7. 2594 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia nivelatra teo ambany fialofan’ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena sy ny Tempoly, sy teo ambany fitarihan’ireo mpiandry ondry, indrindra i Davida mpanjaka sy ireo mpaminany …
  8. 2595 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Miantso ho amin’ny fibebahan’ny fo ireo mpaminany, ary amin’ny fitadiavana amin-kafanam-po ny endrik’Andriamanitra, tahaka ny nataon’i Elia, no italahoan’izy ireo ho an’ny vahoaka .
  9. 2596 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny Salamo no sangan’asan’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha. Misy zava-droa loha tsy azo sarahina mandrafitra azy ireny : an’olon-drery sy iombonana. Manenika ny ambaiday manontolo ny tantara ny Salamo, amin’ny fankalazana …
  10. 2597 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny salamo, noho izy atao vavaka sy tanterahina ao amin’i Kristy, dia singafototra tena ilaina sy maharitra iankinan’ny fivavahan’ny Fiangonany. Natao ho sahaza ny sarangan’olona rehetra sy amin’ny fotoana rehetra izy ireny …
  11. 2598 Ao amin’ny hafenoan’ny fotoana Ny fitaintainana amin’ny fivavahana no nabaribary manontolo amintsika tao amin’ny Teny izay tonga nofo sy niara-monina amintsika. Ny miezaka hahatakatra an-tsaina ny fivavahany, amin’ny alalan’izay ambaran’ireo vavolombelony antsika ao amin’ny Evanjely, dia …
  12. 2599 Mivavaka i Jesoa Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak’ Andriamanitra nanjary Zanak’ilay Virjiny. Tamin-dreniny izay nitahiry sy nandinika tao am-pony ny “zava-dehibe” rehetra nataon’ilay Mahefa ny zavatra rehetra no nianarany ny rijan-teny …
  13. 2600 Mivavaka i Jesoa Ny Evanjely araka an’i Md Lioka dia manantitrantitra ny asan’ny Fanahy Masina sy ny hevitra raketin’ny fivavahana teo amin’ny raharaham-pamonjen’i Kristy. Nivavaka i Jesoa talohan’ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy : talohan’ny …
  14. 2601 Mivavaka i Jesoa “Indray andro, nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa. Nony nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray Taminy : Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay” (Lk 11,1). Moa ve tsy tamin’ny fibanjinana …
  15. 2602 Mivavaka i Jesoa Matetika i Jesoa no nihataka tany amin’ny toera-mangina , tany an-tendrombohitra, indrindra indrindra tamin’ny alina, mba hivavaka [59] . Nitondra ny olombelona tamin’ny fivavahany Izy, satria Izy rahateo moa dia nizaka tao …
  16. 2603 Mivavaka i Jesoa Vavaka anankiroa miharihary tokoa, avy amin’i Kristy, nandritra ny raharaham-pamonjeny, no notanan’ireo mpanoratra ny evanjely. Ary samy manomboka amin’ny fisaorana avokoa izy ireo. Ao amin’ilay voalohany [62] , manambara ampahibemaso ny Ray …
  17. 2604 Mivavaka i Jesoa Ny vavaka faharoa no notaterin’i Md Joany [64] talohan’ny fananganana an’i Lazara ho velona. Mialoha ny zava-miseho ny fisaorana : “Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao”, izay midika hoe …
  18. 2605 Mivavaka i Jesoa Rahefa tonga ny Ora izay nanatanterahan’i Jesoa ny fandaharam-pitiavan’ny Ray, dia navelany ho azoazo vinany ny halalina tsy taka-polopolorin’ny fivavahan-janaka nataony, tsy talohan’ny nanolorany tena an-kalalahana fotsiny (“ Aba ... tsy sitrapoko, …
  19. 2606 Mivavaka i Jesoa Ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona amin’ny fotoana rehetra, izay andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy ny fangatahana rehetra mbamin’ ny fanelanelanana rehetra teo amin’ny tantaram-pamonjena, dia voangona ao amin’io Antson’ny Teny …
  20. 2607 Mampianatra mivavaka i Jesoa Rahefa nivavaka i Jesoa, dia nampianatra antsika sahady hivavaka Izy. Ny lalana avy amin’Andriamanitra momba ny fivavahantsika dia fivavahany tamin’ny Rainy. Kanefa ny Evanjely dia manolotra antsika fampianarana mazava avy amin’i Jesoa …
  21. 2608 Mampianatra mivavaka i Jesoa Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra , nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely [70] , ny fitiavana ny fahavalo …
  22. 2609 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ny fo, tapa-kevitra hibebaka araka izany, dia mianatra mivavaka ao amin’ny finoana . Firaiketan-janaka amin’Andriamanitra ny finoana, mihoatra noho izay tsapantsika sy takatry ny saintsika. Manjary azo atao izany satria ny Zanaka …
  23. 2610 Mampianatra mivavaka i Jesoa Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk …
  24. 2611 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray [80] . Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i …
  25. 2612 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15), miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana . Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay …
  26. 2613 Mampianatra mivavaka i Jesoa Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” [84] , mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny …
  27. 2614 Mampianatra mivavaka i Jesoa Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny …
  28. 2615 Mampianatra mivavaka i Jesoa Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana …
  29. 2616 Mihaino vavaka i Jesoa Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka …
  30. 2617 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno …