Mivavaka i Jesoa

Laharana 2604 amin’ny Katesizy

Ny vavaka faharoa no notaterin’i Md Joany[64] talohan’ny fananganana an’i Lazara ho velona. Mialoha ny zava-miseho ny fisaorana : “Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao”, izay midika hoe : mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray ; teo no eo dia nampian’i Jesoa hoe : “Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao”, izay midika hoe : raha ny amin’i Jesoa, dia mangataka lalandava Izy. Amin’izany, ny vavak’i Jesoa izay ny fisaorana no mitondra azy, dia manambara amintsika hoe : ahoana no fomba fangataka : alohan’ny hanomezana ny fanomezana, mifantoka amin’Ilay izay manome sy manolo-tena ao amin’ny fanomezany i Jesoa. Ny Mpanome no sarobidy kokoa noho ny fanomezana omena. Izy no “Harena sarobidy”, ary ao Aminy no misy ny fon’ny Zanany ; ny fanomezana dia omena “ho fanampiny”[65].

Ny vavaka “maha-mpisorona” an’i Jesoa[66] dia mitana toerana tsy manam-paharoa eo amin’ny fitantanam-pamonjena. Hosaintsainina ny amin’io amin’ny famaranana ny sampana voalohany. Koa noho izany, io vavaka “maha-mpisorona” io no manambara ny vavaka tsy miova mandraka ankehitriny ataon’ny Mpisorom-bentsika, ary koa misy izay ampianariny antsika amin’ny vavaka ataontsika amin’ny Raintsika izay hovelabelarina ao amin’ny sampana faharoa.

Loharano ôfisialy ↗