Mampianatra mivavaka i Jesoa
Laharana 2608 amin’ny Katesizy
Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely[70], ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an’ny mpanenjika[71], ny mivavaka amin’ny Ray “ao amin’ny mangingina” (Mt 6,6), ny tsy mamerimberina teny maro[72], ny mamela ny hadisoan’ny olona amin’ny fo tokoa amin’ny fivavahana atao[73], ny fahadiovam-po sy ny fikatsahana ny Fanjakan’ny Lanitra[74]. Izany fibebahana izany dia mifantoka manontolo any amin’ny Ray, ary fibebahana amin’ny maha-zanaka.