← Lohahevitra rehetra

Fahafahana

Laharana 19

  1. 1730 Ny fahafahan’ny olombelona Noarìn’Andriamanitra ho manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona sady nomeny fahamendrehana amin’ny fahaizana manapa-kevitra hanao zavatra sy mifehy ny ataony. “"Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany" (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany mitady ny Mpahary …
  2. 1731 I. Fahafahana sy andraikitra Ny fahafahana, noho izy miorim-paka ao amin’ny saina sy ny sitrapo, dia fahazoana manao na tsy manao, mamorona an’izao na izao, manankina amin’izany koa amin’ny alalan’ny tena ihany ny fanaovana ny asa …
  3. 1732 I. Fahafahana sy andraikitra Ny fahafahana, raha mbola tsy miompana tanteraka amin’ny hasoany farany, izay tsy iza fa Andriamanitra, dia mitarika fahazoana misafidy ny tsara sy ny ratsy , ka noho izany, na izy mitombo amin’ny …
  4. 1733 I. Fahafahana sy andraikitra Arakaraka ny anaovan’ny olona ny tsara no mahatonga ho olona afaka. Tsy misy ny tena fahafahana tokoa raha tsy amin’ny fanaovana ny tsara sy ny marina. Ny misafidy hanao di-doha sy ratsy …
  5. 1734 I. Fahafahana sy andraikitra Ny fahafahana no mahatonga ny olona ho tompon’andraikitra amin’izay ataony, arakaraka ny finiavany hanao izany. Ny fandrosoana amin’ny hatsaram-panahy, ny fahalalana ny tsara ary ny famolahan-tena no mampitombo ny fahaiza-mifehy ny sitrapo …
  6. 1735 I. Fahafahana sy andraikitra Ny mahadiso sy ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny tsy fitandremana, ny fanerena, ny tahotra, ny fahazarana, ny firaiketam-pitia mihoa-pampana ary noho ny …
  7. 1736 I. Fahafahana sy andraikitra Ny atao rehetra an-tsitrapo mivantana no mety hahadiso an’ilay mpanao izany : Hoy ny Tompo nanontany an’i Eva avy nanota, tao an-jaridaina : “Inona no nataonao tao ?” (Jen 3,13). Toy izany …
  8. 1737 I. Fahafahana sy andraikitra Azo leferina ny vokatry ny natao iray tsy an-tsitrapo ; ohatra : ny harerahan’ny reny iray tsy niala teo akaikin’ny zanany marary eo am-pandriana. Tsy mahadiso ny olona ny voka-dratsin’ny nataony raha …
  9. 1738 I. Fahafahana sy andraikitra Amin’ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona no isehoan’ny fahafahana. Ny olombelona tsirairay avy, noarìna hitovy endrika amin’ Andriamanitra, dia manana zo voa-Janahary ho ankatoavina amin’ny maha-olona afaka sy maha-tompon’andraikitra azy. Tsy maintsy manefa …
  10. 1739 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Fahafahana sy fahotana . Misy fetra sy mety ho diso ny fahafahan’ny olombelona. Araka ny zava-misy, diso tokoa ny olombelona. Nanota izy, nefa tsy noterena hanao izany. Tamin’ny nandavany ny fandaharam-pitiavan’Andriamanitra no …
  11. 1740 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ireo loza mitatao amin’ny fahafahana . Tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana ho lazaina sy hanao izay rehetra tiana atao ny fampiasana ny fahafahana. Diso ny mihevitra fa “ny olombelona, …
  12. 1741 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Fanafahana sy famonjena . Tamin’ny Hazofijaliany be voninahitra i Kristy no nampahazo ny famonjena ny olombelona rehetra. Izy no nanavotra azy ireo tamin’ny fahotana izay nanandevo azy ireo. “Fa ho amin’ny fahafahana …
  13. 1742 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Fahafahana sy fahasoavana . Tsy maka toerana ho mpifaninana velively amin’ny fahafahantsika ny fahasoavan’i Kristy, rahefa mifanaraka amin’ ny lalan’ny marina sy ny tsara izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona ny fahafahantsika. …
  14. 1743 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena “ Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany ” (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany miraiki-po an-kalalahana amin’ilay Mpahary azy sy mba hahatongavany araka izany amin’ny fahalavorariana mahasambatra [56] .
  15. 1744 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ny fahafahana dia fahazoana manao na tsy manao, sy manankina amin’ izany koa ny fanaovana ny asa amin’ny nahim-po, amin’ny alalan’ny tena ihany. Mahatratra ny fahalavorarian’ny asany ny fahafahana rahefa alamina araka …
  16. 1745 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ny fahafahana no mampiavaka ny asa tena an’olombelona tokoa. Izy no mahatonga ny olombelona ho tompon’andraikitra amin’izay asa ataony an-tsitrapo. An’ny tenany ihany ny asa amam-pihetsika ataony amin’ny nahim-po .
  17. 1746 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena .Ny mahadiso na ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny fanerena, ny tahotra ary ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina.
  18. 1747 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ny zo hampiasa ny fahafahana dia mitaky adidy tsy azo sarahina amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, indrindra ny ara-pivavahana sy ny ara-môraly. Kanefa tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana lazaina na hanao …
  19. 1748 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena “ Fa ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ” (Gal 5,1).