I. Fahafahana sy andraikitra
Laharana 1733 amin’ny Katesizy
Arakaraka ny anaovan’ny olona ny tsara no mahatonga ho olona afaka. Tsy misy ny tena fahafahana tokoa raha tsy amin’ny fanaovana ny tsara sy ny marina. Ny misafidy hanao di-doha sy ratsy dia fanararaotam-pahafahana ary mitondra amin’ny “fanandevozan’ny fahotana”[47].