Batemy
Laharana 72
- 1213 Ny sakramentan’ny Batemy Ny Batemy masina no fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonam-baravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy ( vitae spiritualis ianua ), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no …
- 1214 I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Antsoina hoe Batemy izy araka ny fombam-pivavahana fototra izay anatanterahana azy : ny manao batemy ( baptizein amin’ny teny grika), dia midika hoe “ mandentika ao anaty rano”, “manatsoboka ao anaty rano” …
- 1215 I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Ity sakramenta ity dia antsoina koa hoe : “ fampandroana ho amin’ny fahateraham-baovao sy ho amin’ny fanavaozana ao amin’ny Fanahy Masina” (Tito 3,5), satria izy no mampahafantatra sy manatanteraka io fiterahana amin’ny …
- 1216 I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? “Antsoina hoe fanazavana io fandroana io, satria ireo izay mandray ity fampianarana [momba ny katesezy] ity, dia manana fanahy voazava…” [15] . Ny vita batemy, noho izy nandray tamin’ny Batemy an’ilay Teny …
- 1217 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Alin’ny Paka, rahefa manao ny fanamasinana ny rano fanaovana Batemy , dia mampahatsiaro amin’ny fomba manetriketrika ireo zava-dehibe niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena izay efa nanambara mialoha sahady ny …
- 1218 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Hatrany am-piandohan’izao tontolo izao, ny rano, izay zavaboary tsotra sy mahagaga, no loharanon’ny aina sy ny fiterahana amam-pahavokarana. Ny Soratra Masina dia mahita azy ho toy ny “fikotrehana” amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra [20] …
- 1219 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Hitan’ny Fiangonana tao amin’ny Sambofiaran’i Nôe ny tandindon’ny famonjena amin’ny Batemy. Satria, tamin’ny alalany ny “olona vitsy, valo monja ny fitambarany, no voavonjy tamin’ny rano” (1 Pi 3,20). Tamin’ny fisondrotry ny safo-drano, …
- 1220 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Raha ny ranon’ny loharano no maneho an’ohatra ny fiainana, ny ranon’ny ranomasina kosa no maneho an’ohatra ny fahafatesana. Izany no antony ahafahan’ny fanehoana an’ohatra mampiseho an-tsary ny misterin’ny Hazofijaliana. Avy amin’io fanehoana …
- 1221 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Fa indrindra tamin’ny fiampitàna ny ranomasina mena, fanafahana marina an’i Israely tamin’ny fanandevozana tao Ejipta, no manambara ny fanafahana ataon’ny Batemy : Nampitainao teo amin’ny ranomasina Mena nandia tany maina ny zanak’i …
- 1222 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Farany, nambara mialoha teo amin’ny fiampitàna ny onin’i Jordany ny Batemy, izay tamin’ny alalan’izany ny Vahoakan’Andriamanitra no nahazo ny fanomezana ny Tany nampanantenaina tamin’ny taranak’i Abrahama, sarin’ny fiainana mandrakizay. Ny fampanantenana io …
- 1223 Ny Batemin’i Kristy Ny tandindona rehetra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia ao amin’i Kristy Jesoa no ahitana ny fahatanterahany. Nanomboka ny fiainany ampahibemaso Izy taorian’ny nanaovan’i Joany-Batista batemy Azy tao amin’ny onin’i Jordany [24] , …
- 1224 Ny Batemin’i Kristy Nanaiky an-tsitrapo ny Tompontsika handray ny Batemin’i Md Joany-Batista, izay voatokana ho an’ny mpanota, mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15). Io fihetsik’i Jesoa io dia fanehoana ny fanetren-tenany [26] . Ny …
- 1225 Ny Batemin’i Kristy Tamin’ny Pakany i Kristy no nanokatra ho an’ny olona rehetra ny loharanon’ny Batemy. Satria, efa niteny Izy ny amin’ny fijaliany izay hiaretany any Jerosalema ho toy ny “Batemy” izay tsy maintsy hanaovana …
- 1226 Ny Batemy ao amin’ny Fiangonana Nanomboka tamin’ny andro Pantekôty no nankalaza sy nanome ny Batemy masina ny Fiangonana. Satria, hoy i Md Piera nanambara tamin’ny vahoaka voatohin’ny toriteniny : “Mibebaha ianareo, ary aoka ianareo samy hatao batemy …
- 1227 Ny Batemy ao amin’ny Fiangonana Araka an’i Md Paoly apôstôly, amin’ny alalan’ny Batemy ny mpino no miombona amin’ny fahafatesan’i Kristy ; nalevina miaraka Aminy ilay mpino ary nitsangan-ko velona miaraka Aminy koa : Isika rehetra natao batemy …
- 1228 Ny Batemy ao amin’ny Fiangonana Noho izany, fandroana amin’ny rano ny Batemy, izay amin’izany “ny voa mamoa tsy mety lo ” dia ny Tenin’Andriamanitra no miteraka ny vokany mpamelon’aina [34] . Hoy i Md Augustin taty aoriana …
- 1229 Ny firosoana ho kristianina Manjary kristianina, tanteraka izany nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly, amin’ny alalan’ny fizotra sy ny firosoana misy dingana maromaro. Mety ho haingana na mety ho miadana no izorana amin’io lalana io. Tsy maintsy misy …
- 1230 Ny firosoana ho kristianina Niovaova be ihany ity firosoana ity nandritra ny taonjato nifandimby sy araka ny toe-javatra niseho. Tany amin’ny taonjato voalohandohan’ny Fiangonana, nisy fivelarana be tokoa ny firosoana ho kristianina, tamin’ny fotoana lava fiomanana …
- 1231 Ny firosoana ho kristianina Tany amin’ny toerana izay ny Batemin-jaza no nanjary betsaka ny endrika mahazatra fankalazana an’ity sakramenta ity, dia nanjary asa tokana izany fankalazana izany, izay nampidirana manontolo ny dingana rehetra mialoha ny firosoana …
- 1232 Ny firosoana ho kristianina Ny Kônsily faharoa tao Vatikana dia nanavao, ho an’ny Fiangonana latinina, “ny fiomanana amin’ny Batemin’olon-dehibe, notsinjaraina ho dingana maromaro” [36] . Ao amin’ny Ordo initiationis christianae adultorum (Boky fandaharana ny fombam-pivavahana rehetra …
- 1233 Ny firosoana ho kristianina Ankehitriny àry, amin’ny fombam-pivavahana rehetra latinina sy tatsinanana, ny firosoan’ny olon-dehibe ho kristianina dia manomboka raha vantany vao miditra amin’ny katekomenà izy ireo, mba hahatratra ny fara tampony amin’ny fankalazana iray ihany …
- 1234 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Amin’ny fombam-pivavahana ankalazana azy no hita mazava tsara ny hevitra sy ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny fanarahana ireo fihetsika sy ireo teny mandritra ny fankalazana izany, omban’ny fandraisana anjara amim-pifantohana, no …
- 1235 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny famantarana ny Hazofijaliana , eo am-panombohana ny fankalazana, no ampisehoana ny marik’i Kristy eo amin’ny tenan’izay mpianany sy ampahafantarana ny fahasoavam-panavotana izay nampahazoan’i Kristy antsika tamin’ny alalan’ny Hazofijaliany.
- 1236 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra no manazava ny fahamarinana nambara amin’ny mpangataka batemy sy ny mpiangona, ary mahatonga ny valim-pinoana, tsy azo sarahina amin’ny Batemy. Satria, ny Batemy, amin’ ny fomba manokana, no …
- 1237 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Satria ny Batemy midika fanafahana amin’ny fahotana sy ny mpandrisika amin’izany, ny devoly, dia anaovana tonom-bavaka iray (na maro) fandroahana demony ilay mpangataka batemy. Hosorana ny menaky ny katekomena izy na koa …
- 1238 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Hamasinina amin’izay ny rano fanaovana batemy , amin’ny alalan’ny vavaka epikilezy (na amin’io fotoana io ihany, na amin’ny alin’ny Paka). Angatahin’ny Fiangonana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany, ny hirotsahan’ny herin’ny Fanahy Masina ao …
- 1239 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Manaraka izany, ny votoatin’ny fombam-pivavahana amin’ny sakramenta : ny tena Batemy , izay mampahafantatra sy manatanteraka ny fahafatesana noho ny fahotana sy ny fidirana ao amin’ny fiainan’ny Trinite Masina Indrindra, amin’ny alalan’ny …
- 1240 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Amin’ny Fiangonana latinina, io fanatsobohana intelo io, dia arahin’ny tenin’ny mpandraharaha masina hoe : “R… izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina”. Amin’ny litorzia tatsinanana, …
- 1241 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny fanosorana diloilo masina , diloilo nasiana zava-manitra sy nohamasinin’ny Eveka, dia midika ny fanomezana ny Fanahy Masina an’ilay vao vita batemy. Tonga kristianina izy, izany hoe : “voahosotry” ny Fanahy Masina, …
- 1242 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Amin’ny litorzian’ireo Fiangonana Tatsinanana, ny fanosorana aorian’ny Batemy no sakramentan’ny Fanosorana masina (Kônfirmasiôna). Amin’ny litorzia rômanina, io no manambara ny fanosorana fanindroany amin’ny diloilo masina izay homen’ny Eveka : ny sakramentan’ny Fankaherezana, …