Ny firosoana ho kristianina

Laharana 1231 amin’ny Katesizy

Tany amin’ny toerana izay ny Batemin-jaza no nanjary betsaka  ny endrika mahazatra fankalazana an’ity sakramenta ity, dia nanjary asa tokana izany fankalazana  izany, izay  nampidirana  manontolo  ny dingana rehetra mialoha ny firosoana ho kristianina, amin’ny fomba tena mifintina. Araka ny fombany mihitsy, ny Batemin-jaza dia mitaky katekomenà aorian’ny Batemy. Tsy hoe filana fampianarana aorian’ny Batemy ihany tsy akory izany, fa filana ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy araka ny fitomboan’ny olona koa. Izany no sehatra sahaza indrindra ny fampianarana katesizy.

Loharano ôfisialy ↗