Ny Batemin’i Kristy

Laharana 1223 amin’ny Katesizy

Ny tandindona rehetra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia ao amin’i Kristy Jesoa no ahitana ny fahatanterahany. Nanomboka ny fiainany ampahibemaso Izy taorian’ny nanaovan’i Joany-Batista batemy Azy tao amin’ny onin’i Jordany[24], ary, taorian’ny fitsanganany ho velona, izao no iraka nomeny ny apôstôly : “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo” (Mt 28,19-20)[25].

Loharano ôfisialy ↗