I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?

Laharana 1216 amin’ny Katesizy

“Antsoina hoe fanazavana io fandroana io, satria ireo izay mandray ity fampianarana [momba ny katesezy] ity, dia manana fanahy voazava…”[15]. Ny vita batemy, noho izy nandray tamin’ny Batemy an’ilay Teny “izay fahazavana marina, manazava ny olona rehetra” (Jo 1,9), nony efa nohazavaina izy[16] dia manjary zanaky ny mazava[17], ary “fahazavana” mihitsy (Efez 5,8) :

Ny Batemy no tsara indrindra sy mahafinaritra indrindra amin’ireo fanomezan’Andriamanitra (…). Antsointsika izy hoe : fanomezana, famelan-keloka, fanosorana, fanazavana, fitafiana ny tsy fahalovana, fampandroana amin’ny fahateraham-baovao, fitomboka, ary izay rehetra misy ny sarobidy indrindra. Fanomezana, satria omena ho an’ireo izay tsy mitondra na inona na inona izy ;  famelan-keloka, satria omena azy na dia ireo meloka aza ; Batemy, satria alevina ao anaty rano ny fahotana ; fanosorana, satria masina izy sy maha-mpanjaka (manjary toy ireo izay voahosotra) ;  fanazavana, satria fahazavana mamirapiratra izy ;  fitafiana, satria manarona ny henatrantsika izy ; fandroana, satria manasa izy ;  fitomboka, satria miaro antsika izy ary famantarana ny maha-tompom-pahefana an’Andriamanitra[18].

Loharano ôfisialy ↗