Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Laharana 1218 amin’ny Katesizy
Hatrany am-piandohan’izao tontolo izao, ny rano, izay zavaboary tsotra sy mahagaga, no loharanon’ny aina sy ny fiterahana amam-pahavokarana. Ny Soratra Masina dia mahita azy ho toy ny “fikotrehana” amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra[20] :
Tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao, ny Fanahinao no nisonenika teo ambonin’ny rano mba handraisan’ny rano ny foto-piandohan’ny hery izay hanamasinana[21].