Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 21 V. Torolalana arahina amin’ny fampiasana ity Katesizy ity Ny tenin’olona tsahivina , natao amin’ny tarehin-tsora-madinika, notovozina tamin’ ny loharano samihafa : araka ny Aban’ny Fiangonana, ara-litorzia, ara-toniam-pampianarana na ara-tantaran’olomasina, dia natao hanatevenana ny famelabelarana ny fitambaram-pampianarana. Matetika no tsongaina ireny …
  2. 22 V. Torolalana arahina amin’ny fampiasana ity Katesizy ity Isaky ny famaranana lohahevi-dehibe iray, dia nasiana andian-dahatsoratra fohy maromaro, mamintina amin’ny rijan-teny manambatra ny votoatin’ny fampianarana. Ny kendrena amin’ireny “ FAMINTINANA ” ireny, dia ny hanome tolo-kevitra amin’ny katesezy eo an-toerana, …
  3. 23 VI. Ny fampisahaza ilaina Aompana ao amin’ny famelabelarana ny fitambaram-pampianarana, ny fanamafisana ity Katesizy ity. Satria, irin’izy ity ny hanampy amin’ny fandalinam-pahalalana momba ny finoana. Amin’izany koa no itarihany ho amin’ny fahamatoran’io finoana io, ny fiorenany …
  4. 24 VI. Ny fampisahaza ilaina Ity Katesizy ity, raha araka ny tanjona hotratrariny, dia tsy mikendry hanatanteraka ny fampisahaza amin’ny famelabelarana sy ny fomba ampitana ny katesezy takìn’ny tsy fitoviana eo amin’ny kolontsaina, ny taona, ny fahamatoram-panahy, …
  5. 25 Ambonin’ny zavatra rehetra – ny Fitiavana Ho fehin’ity teny fanolorana ity, dia tsara ny mampahatsiaro ilay fitsipika pastôraly izay voalazan’ny Katesizy Rômanina hoe : Ao anatin’ny fitiavana izay tsy manam-pahataperana no tsy maintsy hametrahana ny tanjona hotratrarina manontolo …
  6. 26 SAMPANA VOALOHANY “Izaho mino” – “Inoanay” Rahefa manambara ny finoantsika isika, dia izao no teny anombohantsika izany : “Izaho mino” na “Inoanay”. Alohan’ny hamelabelarana ny finoan’ny Fiangonana araka izay ambara ao amin’ny Izaho mino, ankalazaina ao amin’ny litorzia, …
  7. 27 I. Ny faniriana an’Andriamanitra Voasokitra ao am-pon’ny olombelona ny faniriana an’Andriamanitra, satria noarìn’Andriamanitra sy nataony ho Azy ny olombelona ; tsy mitsahatra manintona ny olombelona mankany Aminy Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy ao amin’Andriamanitra no hahitan’ny …
  8. 28 I. Ny faniriana an’Andriamanitra Amin’ny fomba maro samihafa, eo amin’ny tantaran’izy ireo, ary mandraka ankehitriny, no ampisehoan’ny olombelona ny fikatsahany an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo sy ny fihetsika amam-pitondran-tenan’izy ireo ara-pivavahana (vavaka, sorona, fanompoana amam-panajana an’ …
  9. 29 I. Ny faniriana an’Andriamanitra Kanefa, mety ho hadino, mety tsy ho fantatra ary mety holavin’ny olona an-kitsirano aza, izany “fifandraisana lalina ao anaty sy mahavelona izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra izany” [2] . Mety hanana antony …
  10. 30 I. Ny faniriana an’Andriamanitra “Hiravoravo anie ny fon’izay mitady an’Andriamanitra” (Sal 105,3). Raha mety manadino na mandà an’Andriamanitra aza ny olombelona, Izy Andriamanitra kosa tsy mitsahatra miantso ny olombelona rehetra hitady Azy, mba ho velona izy …
  11. 31 II. Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra Noho izy natao mitovy endrika amin’Andriamanitra, nantsoina hahalala sy ho tia an’Andriamanitra, ny olombelona izay mitady an’Andriamanitra dia mahita “lalana” sasantsasany mba hahafahana mankamin’ny fahalalana an’ Andriamanitra. “Porofon’ny fisian’Andriamanitra” no iantsoana izany …
  12. 32 II. Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra Izao tontolo izao : miainga avy amin’ny fihetsehana sy ny fanjariana, ny kisendrasendra, ny filaminana sy ny hatsaran’izao tontolo izao, no ahafahana mahalala an’Andriamanitra ho fiandohana sy fiafaran’izao tontolon’ny zava-drehetra izao. Hoy …
  13. 33 II. Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra Ny olombelona : amin’ny fanehoany ny marina sy ny kanto, amin’ny fahalalany ny tsara ara-môraly, amin’ny fahafahany sy ny feon’ny kônsiansiny, amin’ny faniriany ho amin’ny tsy manam-petra sy ho amin’ny fahasambarana, dia …
  14. 34 II. Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra Manamarina izao tontolo izao sy ny olombelona fa tsy ananan’izy ireo ao amin’izy ireo ihany na ny foto-piandohany voalohany na ny tanjom-piafaràny farany, nefa izy ireo mandray anjara amin’ilay Misy ao amin’ny …
  15. 35 II. Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra Ny fahaizana amam-pahazoana mahataka-javatra ananan’ny olombelona no mahatonga azy ho afa-mahalala ny fisian’Andriamanitra manokana. Fa mba hahafahan’ny olombelona miditra amin’ny fiainany lalina ao anaty, dia sitrak’Andriamanitra ny manambara ny Tenany aminy, sy …
  16. 36 III. Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana “Mihevitra sy mampianatra ny Fiangonana Masina, renintsika, fa Andriamanitra, foto-piandohana sy fiafaran’ny zavatra rehetra, dia mety ho fantatra marina amin’ny alalan’ny fahalalana voa-Janahary ananan’ny sain’ olombelona, miainga avy amin’ny zavaboary” [12] . …
  17. 37 III. Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana Amin’ny toe-javatra iainan’ny olombelona eo amin’ny tantara anefa, dia misedra fahasahiranana be izy vao mahalala an’Andriamanitra raha toa ka araka ny fahaizan’ny sainy fotsiny : Satria, raha lazaina amim-pahatsorana, ny sain’olombelona, amin’ny …
  18. 38 III. Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana Noho izany, mila hazavain’ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona, tsy amin’izay mihoatra ny fahazoan’ny sainy ihany anefa, fa “amin’ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-môraly ihany koa, izay tsy saro-takarin’ ny saina, ao aminy, mba hahafahan’izy …
  19. 39 IV. Fomba ahoana no hitenenana momba an’Andriamanitra? Amin’ny fiarovana ny herim-pahaizan’ny sain’olombelona mahalala an’ Andriamanitra, dia maneho ny fahatokiany ny Fiangonana, ny amin’ny fahazoa-miteny momba an’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra sy miaraka amin’ny olombelona rehetra. Izany fiekena izany no fototra …
  20. 40 IV. Fomba ahoana no hitenenana momba an’Andriamanitra? Satria voafetra ny fahalalantsika an’Andriamanitra, dia voafetra toraka izany koa ny fitenenantsika momba an’Andriamanitra. Tsy afa-manome anarana an’Andriamanitra isika raha tsy miainga avy amin’ny zavaboary, sy araka ny fombantsika olombelona manam-petra amin’ny …