III. Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana
Laharana 38 amin’ny Katesizy
Noho izany, mila hazavain’ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona, tsy amin’izay mihoatra ny fahazoan’ny sainy ihany anefa, fa “amin’ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-môraly ihany koa, izay tsy saro-takarin’ ny saina, ao aminy, mba hahafahan’izy ireo mahafantatra izany mora foana, amim-pahamarinana tsy voahozongozona sy tsy misy fifangaroan-kadisoana, amin’ny toe-javatra misy ankehitriny iainan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka”[14].