Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1 I. Ny fiainan’ny olombelona – mahalala sy mitia an’ Andriamanitra Andriamanitra, Lavorary indrindra sy Sambatra tanteraka ao amin’ny Tenany ihany, araka ny fandaharany feno hatsaram-panahy madio tsy misy pentina, dia nahary an-kalalahana ny olombelona mba hanana anjara amin’ny fiainany sambatra. Izany indrindra …
  2. 2 I. Ny fiainan’ny olombelona – mahalala sy mitia an’ Andriamanitra Mba hanakoako manerana ny tany izany antso izany, dia nirahin’i Kristy ny apôstôly izay nofidìny tamin’ny nanomezany azy ireo fahefana hitory ny Evanjely : “Mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, …
  3. 3 I. Ny fiainan’ny olombelona – mahalala sy mitia an’ Andriamanitra Ireo izay nandray ny antson’i Kristy noho ny fanampian’Andriamanitra, sy namaly izany tamin-kalalahana, dia noteren’ny fitiavan’i Kristy koa avy eo, hitory ny Evanjely hatraiza hatraiza manerana ny tany. Voatahirin’ny dimbin’ izy ireo …
  4. 4 II. Mampita ny finoana – ny katesezy Vetivety dia nantsoina hoe katesezy ny asa manontolo ezahina atao ao amin’ny Fiangonana mba hahatonga ny olona ho mpianatr’i Jesoa, mba hanampy azy ireo hino fa Izy no Zanak’Andriamanitra, ka hananan’izy ireo …
  5. 5 II. Mampita ny finoana – ny katesezy “Ny katesezy dia fanabeazana ara-pinoana ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe, izay mifantoka manokana amin’ny fampianarana ny fitambaram-pinoana kristianina, omena ankapobeny amin’ny fomba mirindra sy mitohy, mba hirosoana amin’ny hafenoam-piainana kristianina …
  6. 6 II. Mampita ny finoana – ny katesezy Ny katesezy, izay tsy mifangaro amin’ny pastôraly sy ny fanirahana ny Fiangonana, dia mifandray amin’ny singafototra vitsivitsy momba ny andraikitra pastôralin’ny Fiangonana, izay ananan’izy ireny endrika katesezy, izay anomanan’izy ireny katesezy, na …
  7. 7 II. Mampita ny finoana – ny katesezy “Mifamatotra mafy amin’ny fiainan’ny Fiangonana manontolo ny katesezy. Tsy ny fiitaran’ny Fiangonana ara-jeôgrafia sy ny fitomboany isa ihany no tena iankinany amin’ny katesezy, fa eo koa, ary mbola bebe kokoa aza, ny …
  8. 8 II. Mampita ny finoana – ny katesezy Fotoan-dehibe koa ho an’ny katesezy ny fotoam-pihavaozana teo amin’ny Fiangonana. Hita izany tamin’ny vaninandro lehibe faha-Aban’ny Fiangonana, fa nanokanan’ireo Eveka masina ampahany betsaka izany tamin’ny andraiki-panompoana nosahanin’izy ireo. Tahaka an-dry Md Cyrille …
  9. 9 II. Mampita ny finoana – ny katesezy Ao amin’ireo Kônsily no anovozan’ny andraiki-panompoana amin’ny katesezy ny hery vaovao lalandava. Anisan’ny ohatra anamafisana izany ny Kônsily tao Trente : nataony loha laharana tamin’ireo lalàm-panorenana sy sori-dalana navoakany ny katesezy ; …
  10. 10 II. Mampita ny finoana – ny katesezy Tsy mahagaga, noho izany, fa tamin’ireo hetsika taorian’ny Kônsily faharoa tao Vatikana dia noheverin’ny Papa Paoly VI (ho katesizy lehibe amin’ny androm-piainana ankehitriny) fa nisarika indray ny saina aman’eritreritra ny katesezin’ny Fiangonana. …
  11. 11 III. Ny kendrena sy ny olona andefasana ity Katesizy ity Ny kendren’ity Katesizy ity dia ny manolotra famelabelarana voarindra sy voafintina, ny votoaty sy ny fototry ny fitambaram-pampianarana katôlika momba ny finoana sy ny môraly, avy amin’ny fitsilovan’ny Kônsily Vatikana faharoa sy …
  12. 12 III. Ny kendrena sy ny olona andefasana ity Katesizy ity Natokana indrindra ho an’ny mpiandraikitra katesezy ity Katesizy ity : loha laharana amin’izany ny Eveka, noho ny maha-mpampianatra finoana sy ny maha-mpitondra Fiangonana azy ireo. Atolotra azy ireo ity ho fitaovam-piasana amin’ny …
  13. 13 IV. Ny firafitr’ity Katesizy ity Ny drafitr’ity Katesizy ity dia notakarina avy amin’ny fomba lehibe nifandovàna amin’ny fandrafetana katesizy izay mampiray ny katesezy amin’ireto “andry” efatra ireto : ny fiekem-pinoana ilaina amin’ny Batemy ( ny Semboly ), …
  14. 14 Fizarana voalohany : Ny fiekem-pinoana Ireo izay an’i Kristy tamin’ny finoana sy ny Batemy, dia tsy maintsy manambara ny finoan’izy ireo tamin’ny Batemy, eo anatrehan’ny olona [9] . Araka izany, velabelarin’ny Katesizy aloha ny hoe : inona …
  15. 15 Fizarana faharoa : Ny sakramentan’ny finoana Ny fizarana faharoa amin’ity Katesizy ity no mamelabelatra ny hoe : ahoana ny maha-misy ao amin’ny asa masin’ny litorzian’ny Fiangonana ( sampana voalohany ), indrindra ao amin’ny sakramenta fito ( sampana faharoa …
  16. 16 Fizarana fahatelo: Ny fivelomana ny finoana Ny fizarana fahatelo amin’ity Katesizy ity no mampiseho ny tanjom-piafaràn’ny olombelona noarìn’Andriamanitra mitovy endrika Aminy : ny hasambarana sy ny lalana hahatongavana amin’izany : amin’ny asa amam-pitondran-tena mahitsy sy tsy voafatopatotra, miaraka …
  17. 17 Fizarana fahefatra : Ny vavaka amin’ny fivelomana ny finoana Ny fizarana farany amin’ity Katesizy ity no mamelabelatra ny hevitra sy ny havesa-danjan’ny fivavahana eo amin’ny fiainan’ny mpino ( sampana voalohany ). Ny famoaboasana fohy ireo fangatahana fito amin’ny vavaky ny Tompo …
  18. 18 V. Torolalana arahina amin’ny fampiasana ity Katesizy ity Novolavolaina ho famelabelarana voarindra momba ny finoana katôlika manontolo ity Katesizy ity. Noho izany, ilaina ny mamaky azy ho toy ny iray tsy mivaky. Ny fampahatsiahivana maro be averina eny an-tsisin’ny lahatsoratra …
  19. 19 V. Torolalana arahina amin’ny fampiasana ity Katesizy ity Matetika, tsy naverina ara-bakiteny ny lahatsoratry ny Soratra Masina, fa miaraka fotsiny amin’ny fanondroana ny boky, ny toko ary ny andininy nanovozana azy ireny amin’ny naoty hoe (“ jer. ”). Mba hahaizana …
  20. 20 V. Torolalana arahina amin’ny fampiasana ity Katesizy ity Ny fampiasana ny tarehin-tsoratra madinika amin’ny tsongan-dahatsoratra sasantsasany no anondroana izay mikasika ny filazana momba ny tantara, ny fiarovam-pinoana na famelabelarana ara-pitambaram-pampianarana famenony.