I. Ny faniriana an’Andriamanitra

Laharana 29 amin’ny Katesizy

Kanefa, mety ho hadino, mety tsy ho fantatra ary mety holavin’ny olona an-kitsirano aza, izany “fifandraisana lalina ao anaty sy mahavelona izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra izany”[2]. Mety hanana antony maro samihafa ny fihetsika aseho toy ireto[3] : ny fikomiana noho ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ny tsy fahalalana na ny tsy firaharahana fivavahana, ny fiahiana izao fiainana izao sy ny harena[4], ny oha-dratsy asehon’ny mpino, ny fielezan’ny toe-tsaina manohitra fivavahana, ary farany ity fihetsiky asehon’ny olombelona mpanota, noho ny tahotra, izay miafina eo imason’Andriamanitra[5] sy mandositra eo anoloan’ny antsony[6].

Loharano ôfisialy ↗