Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
281
Paragrafy 4. Ny Mpahary
Izany no mahatonga ny vakiteny rehetra amin’ny Alin’ny Paka, fankalazana ny fahariam-baovao ao amin’i Kristy, atomboka amin’ny tantaran’ny fahariana ; ao amin’ny litorzia bizantinina, io tantaran’ny fahariana io no anisan’ny vakiteny voalohany …
→
-
282
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Manan-danja lehibe tokoa ny katesezy momba ny fahariana. Ny fototry ny fiainana maha-olona sy ny maha-kristianina mihitsy no voakasiny : satria izany no manazava ny valin’ny finoana kristianina amin’ny fanontaniana tsotra izay …
→
-
283
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Ny fanontaniana momba ny fiandohan’izao tontolo izao sy ny olombelona dia natao ho fototry ny fikarohana maro be ara-tsiansa izay mampitombo amin’ny fomba kanto dia kanto ny fahalalantsika momba ny taona sy …
→
-
284
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Ny tombon-tsoa lehibe voatokana amin’ireny fikarohana ireny no mandrisika mafy amin’ny alalan’ny fanontaniana ivelan’ny mahazatra, izay mihoatra ny sehatra manokana amin’ny siansa momba ny zavaboary. Tsy dia ny mahalala fotsiny hoe : …
→
-
285
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Hatrany am-panombohany, ny finoana kristianina dia nampifanatrehana tamin’ny valin-teny tsy mitovy amin’ny azy mikasika ny fanontaniana momba ny fiandohana. Araka izany, hita ao amin’ireny antokom-pivavahana mbamin’ny kolontsaina fahiny ireny, ny angano maro …
→
-
286
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Marina fa afa-mahita sahady ny valim-panontaniana momba ny fiandohana ny sain’olombelona. Satria, ny fisian’Andriamanitra Mpahary dia mety ho fantatra tsy amim-pisalasalana amin’ny alalan’ny tsanganasany noho ny fahaizan’ny sain’olombelona [122] , na dia …
→
-
287
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Ny fahamarinan’ny fahariana dia mavesa-danja tokoa ho an’ny fiainana manontolo ny olombelona, izay sitrak’Andriamanitra, ao anatin’ny halemem-panahiny, ny nanambara tamin’ny Vahoakany izay rehetra mahavonjy amin’ ny fahalalana momba an’io lafin-kevitra io. Ankoatra …
→
-
288
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Araka izany, ny fanambaràna ny fahariana, dia tsy azo sarahina amin’ny fanambaràna sy ny fahatanterahan’ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra, ilay Tokana, tamin’ny Vahoakany. Ny fahariana dia nambara ho ilay dingana voalohany mankany amin’io fanekem-pihavanana io, …
→
-
289
I. Ny katesezy momba ny fahariana
Amin’ny tenin’ny Soratra Masina rehetra momba ny fahariana, dia manana toerana manokana ny toko telo voalohan’ny Jenezy. Raha amin’ny lafiny haisoratra, ireo lahatsoratra ireo dia mety hanana loharano fiaviana samihafa. Ny mpanoratra …
→
-
290
II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina
“Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” : zavatra telo no antitranterina amin’ireo teny voalohan’ny Soratra Masina ireo: nasian’Andriamanitra mandrakizay fiandohana ny zavatra rehetra izay misy ivelan’ny Tenany. Izy irery …
→
-
291
II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina
“Tamin’ny voalohany ny Teny (…) ary Andriamanitra ny Teny. (…) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ny voary rehetra” (Jo 1,1-3). Ambaran’ny Testamenta Vaovao fa Andriamanitra …
→
-
292
II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina
Ny asa faharian’ny Zanaka sy ny Fanahy, iray ihany amin’ny an’ny Ray sy tsy afa-misaraka, izay nisisika tsikelikely tao amin’ny Testamenta Taloha [131] , sy voambara ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia hamafisin’ny …
→
-
293
III. “Noarìna ho Voninahitr’Andriamanitra izao tontolo izao”
Fahamarinana lehibe indrindra no tsy itsaharan’ny Soratra sy ny Lovam-pampianarana mampianatra sy mankalaza hoe : “Noarìna ho Voninahitr’ Andriamanitra izao tontolo izao” [134] . Nahary ny zavatra rehetra Andriamanitra, hoy i Md …
→
-
294
III. “Noarìna ho Voninahitr’Andriamanitra izao tontolo izao”
Ny Voninahitr’Andriamanitra dia ny hahatanteraka io fanehoana sy fampitana ny hatsaram-pony io, izay ho amin’izany no nahariana an’izao tontolo izao. Ny hanao antsika ho “zanaka atsangana amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy : izany no …
→
-
295
Mahary amim-pahendrena sy amim-pitiavana Andriamanitra
Mino isika fa noarìn’Andriamanitra araka ny fahendreny izao tontolo izao [140] . Tsy vokatry ny filana tsinontsinona izany, tsy vokatry ny anjara sy lahatra ary vintana jamba, na vokatry ny kisendrasendra. Mino …
→
-
296
Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra
Mino isika fa tsy mila na inona na inona efa nisy mialoha na mila fanampiana Andriamanitra mba hahary [141] . Ny fahariana koa tsy hoe fipoiram-pisiana ilain’ny fisia-maha-izy an’Andriamanitra tsy akory [142] …
→
-
297
Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra
Ny finoana ny fahariana “avy amin’ny tsy misy” dia nohamarinin’ny Soratra Masina ho fahamarinana feno fampanantenana sy fanantenana. Araka izany no nankaherezin’ilay renim-pianakaviana ny zanany fito mirahalahy ho faty martiry : Tsy …
→
-
298
Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra
Satria afaka mahary avy amin’ny tsy misy Andriamanitra, dia afaka koa Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manome aim-panahy ho an’ny mpanota, amin’ny fahariana fo madio tsy misy pentina ao aminy [145] , …
→
-
299
Tontolo mirindra sy tsara no noarìn’Andriamanitra
Noho Andriamanitra nahary tamim-pahendrena, dia mirindra ny voary manontolo : “Nalaminao am-patrany, an-drefiny, an’isany ary an-danjany ny zavatra rehetra” (Fah 11,20). Natokana sy miantefa amin’ny olombelona endrik’Andriamanitra [148] ny voary manontolo, dia …
→
-
300
Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary Andriamanitra, nefa eo aminy
Lehibe lavitra noho ny tsanganasany rehetra Andriamanitra [152] : “Ambony lavitra noho ny lanitra ny fiandrianany” (Sal 8,2), “tsy misy fetra mihitsy ny fahalehibeazany” (Sal 145,3). Fa satria Izy no Mpahary tsy …
→