III. “Noarìna ho Voninahitr’Andriamanitra izao tontolo izao”

Laharana 294 amin’ny Katesizy

Ny Voninahitr’Andriamanitra dia ny hahatanteraka io fanehoana sy fampitana ny hatsaram-pony io, izay ho amin’izany no nahariana an’izao tontolo izao. Ny hanao antsika ho “zanaka atsangana amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy : izany no fandaharana feno fitiavan’ny sitrapony ho famirapiratan’ny voninahitry ny fahasoavany” (Efez 1,5-6) : “Satria ny olona velona no Voninahitr’Andriamanitra, ary ny fahitana am-panahy an’Andriamanitra no fahaveloman’ny olona: raha ny fanambaràn’Andriamanitra ny Tenany tamin’ ny fahariana aza, efa nahazoan’ny zava-miaina rehetra eto an-tany ny fiainana, vao mainka mampahazo ny fiainana an’izay mahita an’ Andriamanitra ny fisehoan’ny Ray amin’ny alalan’ny Teny”[138]. Ny tanjom-piafaràn’ny fahariana dia Andriamanitra “izay Mpahary ny zavatra rehetra, hanjary ho “zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28), amin’ny fanomezana indray miaraka ny voninahiny sy ny fahasambarantsika”[139].

Loharano ôfisialy ↗