Tontolo mirindra sy tsara no noarìn’Andriamanitra
Laharana 299 amin’ny Katesizy
Noho Andriamanitra nahary tamim-pahendrena, dia mirindra ny voary manontolo : “Nalaminao am-patrany, an-drefiny, an’isany ary an-danjany ny zavatra rehetra” (Fah 11,20). Natokana sy miantefa amin’ny olombelona endrik’Andriamanitra[148] ny voary manontolo, dia ny olombelona izay voantso hifandray manokana amin’Andriamanitra, noho ireo voary manontolo noarìna tao amin’ny Teny mandrakizay sy tamin’ny alalany, dia ilay Teny “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15). Ny saintsika, mifandray amin’ny fahaizan’ny Sain’Izy Andriamanitra, dia afaka mahazo an-tsaina izay ambaran’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny voariny[149], na marina aza fa mitaky ezaka lehibe sy ao anaty toe-tsaina feno fanetren-tena sy fanajana manoloana ny Mpahary sy ny tsanganasany izany[150]. Noho ny zavaboary avy amin’ny hatsaran’Andriamanitra, dia mandray anjara amin’ izany hatsarana izany izy (“Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany (…) tsara indrindra izany” : Jen 1,4.10.12.18.21.31). Satria sitrak’Andriamanitra ho fanomezana ho an’ny olombelona ny voary manontolo, ho lova izay natokana ho azy sy nankinina taminy. Imbetsaka ny Fiangonana no tsy maintsy niaro ny hatsaran’ny voary, anisan’izany ny tontolon’ny manam-batana, tontolo hita maso[151].