II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina
Laharana 291 amin’ny Katesizy
“Tamin’ny voalohany ny Teny (…) ary Andriamanitra ny Teny. (…) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ny voary rehetra” (Jo 1,1-3). Ambaran’ny Testamenta Vaovao fa Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra tamin’ny alalan’ny Teny Mandrakizay, dia ny Zanany malalany. Tao Aminy “no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany (…) : Taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra (Kôl 1,16-17). Hamafisin’ny finoan’ny Fiangonana toy izany koa ny asa faharian’ny Fanahy Masina : Izy no “mpanome aina”[129], “Fanahy Mpahary” (“Veni, Creator Spiritus”, “Avia, ry Fanahy Mpahary”), “Loharanon’ny soa rehetra”[130].