Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra
Laharana 298 amin’ny Katesizy
Satria afaka mahary avy amin’ny tsy misy Andriamanitra, dia afaka koa Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manome aim-panahy ho an’ny mpanota, amin’ny fahariana fo madio tsy misy pentina ao aminy[145], sy manome aim-batana ho an’ny nodimandry, amin’ny alalan’ny Fananganan-ko velona, Izy “izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy ho amin’ny fisiana” (Rôm 4,17). Ary satria, amin’ny alalan’ny Teniny, afaka mampamirapiratra ny hazavana ao anatin’ny haizina[146] Izy, afaka koa manome ny fahazavan’ny finoana an’ireo izay tsy mahalala izany[147].