Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2811
I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”
Ary, na teo aza ny Lalàna masina izay nomena azy sy naverin’ilay Andriamanitra Masina taminy [64] , ary na naharitra aza ny Tompo, “noho ny Anarany” dia niodina tamin’ilay Masin’i Israely ny …
→
-
2812
I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”
Farany, ao amin’i Jesoa ny anaran’Andriamanitra Masina no nambara sy nomena antsika, tao amin’ny nofo, ho Mpamonjy [66] : nambara satria Izy no Izy, tamin’ny alalan’ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny Sorona natolony …
→
-
2813
I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”
Tamin’ny ranon’ny Batemy isika no “nosasana, nohamasinina, nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (1 Kôr 6,11). Eo amin’ny fiainantsika manontolo ny Raintsika no miantso antsika ho “amin’ny fahamasinana” (1 …
→
-
2814
I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”
Miankina tsy azo sarahina amin’ny fiainantsika sy ny fivavahantsika izany ny tokony hanamasinana ny anarany eo anivon’ireo firenena : Mangataka amin’Andriamanitra isika hanamasinana ny anarany, satria amin’ny alalan’ny fahamasinana Izy no mamonjy …
→
-
2815
I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”
Io fangatahana io, izay mirakitra ny fangatahana rehetra, dia ekena amin’ny alalan’ny vavak’i Kristy , tahaka ny fangatahana enina hafa izay manaraka. Ny vavaka amin’ny Raintsika no fivavahantsika raha angatahina “ amin’ny …
→
-
2816
II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny voambolana iray hoe Basileia dia mety midika hoe “fanjakana” (anarana ilazana ny fiandrianan’ny mpanjaka), “fanjakana” (anarana ilazana ny toerana anjakan’ny mpanjaka) “fanjakana” (anarana ilazana ny fotoana anjakan’ny …
→
-
2817
II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Io fangatahana io no ilay “ Marana tha ”, ilay hiakan’ny Fanahy sy ny Ampakarina : “Avia, ry Jesoa Tompo” : Na dia io vavaka io aza, tsy hampanao antsika adidy hangataka …
→
-
2818
II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Amin’ny vavaky ny Tompo, ny fahatongavana faran’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fiverenan’i Kristy no foto-dresaka [78] . Kanefa izany faniriana izany tsy manala ny Fiangonana amin’ny fanirahana azy eto amin’ ity tany ity, …
→
-
2819
II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao”
”Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana, fiadanana sy fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Rôm 14,17). Ny fotoana farany izay misy antsika no fotoanan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Nanomboka hatramin’izay no raikitra ny ady tsy an-kitsitsy …
→
-
2820
II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Ireo kristianina, amin’ny fandanjalanjana araka ny Fanahy, dia tsy maintsy manavaka ny fitomboan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fandrosoan’ny kolontsaina mbamin’ny fiaraha-monina izay irotsahan’izy ireo. Tsy fanasarahana tsy akory izany fanavahana izany. Ny fiantsoan’Andriamanitra …
→
-
2821
II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Izany fangatahana izany dia entina sy ekena ao amin’ny vavak’i Jesoa [83] , eo sy mandaitra amin’ny Eokaristia ; mitera-boka-tsoa ao amin’ny fiainam-baovao araka ny hasambarana izy [84] .
→
-
2822
III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
Ny Sitrapon’ny Raintsika dia “ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,3-4). “Miandry amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza” (2 Pi …
→
-
2823
III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
“Nampahafantatra antsika ny misterin’ny Sitrapony Izy, ilay fandaharana be fitiavana novolavolainy mialoha (...) hamerenana ny zavatra rehetra eo ambany Filoha tokana, dia i Kristy izany (...). Ao Aminy no nanokanana antsika, araka …
→
-
2824
III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
Ao amin’i Kristy, sy amin’ny alalan’ny sitrapo maha-olombelona Azy, no tanteraka an-tsakany sy an-davany, ary indray mandeha ihany, ny Sitrapon’ ny Ray. Hoy i Jesoa teo am-pidirana teto amin’izao tontolo izao : …
→
-
2825
III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
I Jesoa, “na Zanaka tokoa aza, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fijaliana niaretany” (Heb 5,8). Vao mainka isika, zavaboary sy mpanota, nanjary zanaka natsangana ao Aminy. Mangataka amin’ny Raintsika isika hanakambana ny …
→
-
2826
III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
Amin’ny alalan’ny vavaka izany no ahafahantsika “manavaka hoe : inona no sitrapon’Andriamanitra ?” (Rôm 12,2) [92] , sy mahazo “ny faharetana mba hanatanterahana izany” [93] . Ampianarin’i Jesoa antsika fa ny idiran’ny …
→
-
2827
III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
“Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona, dia izy io no ankatoavin’Andriamanitra amin’izany” (Jo 9,31) [94] . Toy izany ny herin’ny vavaky ny Fiangonana amin’ny anaran’ny Tompony, indrindra amin’ny Eokaristia ; izany no …
→
-
2828
IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”
“ Omeo anay ” : tsara ery ny fitokian’ny zanaka izay miandry ny zava-drehetra avy amin’ny Rain’izy ireo. “Mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy Izy, sy mandatsaka …
→
-
2829
IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”
Ny hoe “omeo anay” dia fiteny ilazana koa ny fanekem-pihavanana : Azy isika ary Izy antsika, ho antsika. Kanefa io “isika” io dia miaiky Azy koa ho Rain’ny olombelona rehetra ary mangataka …
→
-
2830
IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”
“Ny haninay.” Ny Ray, izay manome antsika ny aina, dia tsy afaka ny tsy hanome antsika ny hanina ilaina amin’ny fiainana, ny soa rehetra “sahaza”, na ara-batana na ara-panahy. Nantitranterin’i Jesoa tamin’ny …
→