IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”

Laharana 2830 amin’ny Katesizy

“Ny haninay.” Ny Ray, izay manome antsika ny aina, dia tsy afaka ny tsy hanome antsika ny hanina ilaina amin’ny fiainana, ny soa rehetra “sahaza”, na ara-batana na ara-panahy. Nantitranterin’i Jesoa tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny amin’ity fitokian-janaka ity, izay mifarimbona amin’ny Fitahian’ny Raintsika[97]. Tsy mampanantena antsika Izy hiandry fotsiny tsy manao na inona na inona[98], nefa te-hanafaka antsika amin’ny ahiahy rehetra amin’ny fivelomana sy amin’ny zava-manahirana rehetra. Toy izao ny  fitokiana maha-zanaka ny zanak’Andriamanitra :

Amin’ireo izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia mampanantena Izy hanome ny zavatra rehetra ho fanampiny. Satria an’Andriamanitra ny zavatra rehetra : amin’izay manana an’Andriamanitra, tsy ory na inona na inona izy, raha toa ka tsy mandao an’Andriamanitra ny tenany[99].

Loharano ôfisialy ↗