III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
Laharana 2822 amin’ny Katesizy
Ny Sitrapon’ny Raintsika dia “ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,3-4). “Miandry amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza” (2 Pi 3,9)[85]. Ny didiny, izay mamintina ny didy hafa rehetra, sy manambara amintsika ny sitrapony manontolo, dia ny hifankatiavantsika, tahaka ny itiavany antsika[86].