I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”

Laharana 2812 amin’ny Katesizy

Farany, ao amin’i Jesoa ny anaran’Andriamanitra Masina no nambara sy nomena antsika, tao amin’ny nofo, ho Mpamonjy[66] : nambara satria Izy no Izy, tamin’ny alalan’ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny Sorona natolony[67]. Izany no votoatin’ny vavaka maha-mpisorona Azy : “Ray Masina ô! (...) manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo (Jo 17,19). Satria ny Tenan’Izy Ray ihany no “manamasina” ny anarany[68], fa i Jesoa kosa no “maneho” amintsika ny anaran’ny Ray[69]. Tamin’ny fiafaran’ny Pakany, nomen’ny Ray Azy àry ny anarana izay mihoatra ny anarana rehetra : i Jesoa dia Tompo ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray[70].

Loharano ôfisialy ↗