Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2771 III. Vavaky ny Fiangonana Amin’ny Eokaristia, ny Vavaky ny Tompo no maneho koa ny toetra any am-parany any ny fangatahany. Ny vavaky ny Tompo no vavaka manokana momba ny “fotoana farany”, momba ny fotoam-pamonjena izay nanomboka …
  2. 2772 III. Vavaky ny Fiangonana Avy amin’izany finoana tsy voahozongozona izany no ipoiran’ny fanantenana, izay manainga ny tsirairay amin’ireo fangatahana fito. Manambara ny fitarainana amin’ny vanim-potoana ankehitriny ireo, izao fotoam-paharetana sy fiandrasana izao, izay mandritra izany dia …
  3. 2773 III. Vavaky ny Fiangonana Ho valin’ny fangatahan’ireo mpianany ( “ Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay ” : Lk 11,1), no nanankinan’i Jesoa tamin’izy ireo ny vavaka fototra kristianina, dia ny Rainay izany.
  4. 2774 III. Vavaky ny Fiangonana “ Ny Vavaky ny Tompo no famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ” [19] , “ ny lavorary indrindra amin’ny vavaka rehetra ” [20] . Izy no foiben’ny Soratra Masina.
  5. 2775 III. Vavaky ny Fiangonana Antsoina hoe “ Vavaky ny Tompo ” izy, satria avy amin’i Jesoa Tompo, Mpampianatra sy Môdely amin’ny fivavahantsika no nahazoantsika azy.
  6. 2776 III. Vavaky ny Fiangonana Ny Vavaky ny Tompo no vavaka tsara sy ambony indrindra amin’ny vavaky ny Fiangonana. Ampahany tsy azo esorina izy, amin’ny Vavaka isan’ andro Fankalazana an’Andriamanitra sy amin’ny fankalazana ny sakramenta firosoana ho …
  7. 2777 I. “Sahia isika manatona amim-pitokiana tanteraka” Amin’ny litorzia rômanina, asaina manao ny vavaka ny Rainay amin-kasahian-janaka ny mpiangona mankalaza ny Eokaristia ; mampiasa sy mamelabelatra amin’ny fiteny mifanahaka amin’izany koa ny litorzia tatsinanana : “Sahia matoky tanteraka”, “Ataovy …
  8. 2778 I. “Sahia isika manatona amim-pitokiana tanteraka” Izany herin’ny Fanahy izay mampiditra antsika amin’ny Vavaky ny Tompo izany no ambara ao amin’ny litorzia Tatsinanana sy ny Tandrefana amin’ny alalan’ny fomba fiteny tsara tena kristianina hoe : parrhésia , izay …
  9. 2779 II. “Ray !” Alohan’ny hahatonga ho antsika io hetsi-panahy voalohany amin’ny vavaky ny Tompo io dia ilaina ny manadio amim-panetren-tena ny fontsika momba ny fiheverana diso sasantsasany “eto amin’ity tany ity”. Ny fanetren-tena no mampahafantatra …
  10. 2780 II. “Ray !” Afaka miantso an’Andriamanitra hoe “Ray” isika satria Izany no nambara antsika tamin’ny alalan’ny Zanany tonga olombelona ary ny Fanahiny no nampahalala Izany antsika. Izay tsy mety ho voasainan’ny olombelona na mety ho …
  11. 2781 II. “Ray !” Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia miombona Aminy sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany [26] . Amin’izany no ahalalantsika Azy sy iekentsika Azy amin’ny figagana vaovao lalandava. Ny teny voalohany amin’ny vavaky ny Tompo …
  12. 2782 II. “Ray !” Afaka mitsaoka ny Ray isika satria Izy no niteraka antsika indray ho amin’ny Fiainany tamin’ny nananganany antsika ho zanany ao amin’ny Zanany Lahitokana : amin’ny alalan’ny Batemy Izy no mampiray antsika ao …
  13. 2783 II. “Ray !” Arak’izany, amin’ny alalan’ny vavaky ny Tompo, dia sady mampiseho ny maha-isika amin’ny tenantsika isika no manambara amintsika koa ny Ray [29] : Ry olombelona ô, tsy sahinao ny nanandratra ny tavanao hibanjina …
  14. 2784 II. “Ray !” Izany fanomezana maimaim-poana amin’ny fananganana ho zanaka izany dia mitaky amintsika ny fibebahana tsy tapaka sy ny fiainam-baovao . Ny mivavaka amin’ny Raintsika dia tokony hampivelatra toetra fototra roa ao amintsika : …
  15. 2785 II. “Ray !” Fo manetry tena sy matoky no mahatonga antsika “hiverina amin’ny toetran’ny zazakely” (Mt 18,3) : satria ho an’ny “madinika” no nanambaràn’ Andriamanitra ny Tenany (Mt 11,25) : Izany no fandinihana an’Andriamanitra irery, …
  16. 2786 III. Rai“ nay ” Momba an’Andriamanitra ny hoe Rai“ nay ”. Io mpamaritra io, amintsika, dia tsy manambara fananana tsy akory, fa milaza fifandraisana tena vaovao amin’Andriamanitra.
  17. 2787 III. Rai“ nay ” Rahefa miantso hoe Rai“ nay ” isika, dia manaiky aloha fa tanteraka ao amin’ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ao amin’i Kristiny ny fampanantenam-pitiavany rehetra nolazain’ny Mpaminany : manjary Vahoaka“ ny ” isika …
  18. 2788 III. Rai“ nay ” Satria vavaky ny Vahoakany amin’ny “andro farany” ny Vavaky ny Tompo, koa ny hoe Rai“ nay ” dia maneho fa azo antoka marina ny fanantenantsika amin’ny fampanantenana farany ataon’Andriamanitra : ao amin’ilay …
  19. 2789 III. Rai“ nay ” Rahefa manao ny vavaka hoe Rai“ nay ”, dia amin’ny Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika no ivantanan’ny vavaka ataontsika tsirairay. Tsy manasaraka ny maha-Andriamanitra isika, satria ny Ray no “loharano sy fiandohana” amin’izany, ka …
  20. 2790 III. Rai“ nay ” Ara-pitsipi-panoratana amam-pitenenana, ny hoe “ anay ” dia ilazana zava-misy iray iombonan’ny maro. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ary eken’ireo izay naterany indray tamin’ny rano sy ny Fanahy [38] , tamin’ny alalan’ny …