III. Rai“ nay ”

Laharana 2790 amin’ny Katesizy

Ara-pitsipi-panoratana amam-pitenenana, ny hoe “anay” dia ilazana zava-misy iray iombonan’ny maro. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ary eken’ireo izay naterany indray tamin’ny rano sy ny Fanahy[38], tamin’ny alalan’ny finoana ny Zanany Lahitokana, fa Ray Izy. Ny Fiangonana io fiombonana vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona io : noho ny Fiangonana tafaray amin’ny Zanaka Lahitokana nanjary “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro” (Rôm 8,29), dia miombona amin’ny Ray tokana ihany, ao amin’ny Fanahy Masina tokana ihany izy[39]. Amin’ny fanaovana ny vavaka hoe Rai“nay”, mivavaka ao amin’izany fiombonana izany ny vita batemy tsirairay : “Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra” (Asa 4,32).

Loharano ôfisialy ↗