II. “Ray !”

Laharana 2781 amin’ny Katesizy

Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia miombona Aminy sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany[26]. Amin’izany no ahalalantsika Azy sy iekentsika Azy  amin’ny figagana vaovao lalandava. Ny teny voalohany amin’ny vavaky ny Tompo dia fisaorana amam-pitsaohana, izay vao zary fitalahoana. Satria ny voninahitr’Andriamanitra no iekentsika Azy ho “Ray”, Andriamanitra marina tokoa. Misaotra Azy isika, tamin’ny nanambaràny tamintsika ny anarany, tamin’ny nanomezany antsika ny finoana an’izany, ary amin’ny onenany miaraka amintsika amin’ny maha-Eo Azy.

Loharano ôfisialy ↗