III. Rai“ nay ”

Laharana 2787 amin’ny Katesizy

Rahefa miantso hoe Rai“nay” isika, dia manaiky aloha fa tanteraka ao amin’ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ao amin’i Kristiny ny fampanantenam-pitiavany rehetra nolazain’ny Mpaminany : manjary Vahoaka“ny” isika ary manomboka izao dia Andriamani“tsika” Izy. Fifandraisana vaovao izany, izay fiombonana mifamaly atao maimaim-poana: fitiavana sy tsy fivadihana[36] no valy ataontsika amin’ “ny fahasoavana sy ny fahamarinana” izay omena antsika ao amin’i Jesoa-Kristy[37].

Loharano ôfisialy ↗